Zoma 20 Mey 2022

Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68

 

Maharitra (1)

Ny Baiboly dia maneho amintsika ny tantaran’i Elisa, lehilahy nandray antso mba hanokana ny fiainany hanompoana an’Andriamanitra. Mazava aoka izany io antso io, ka nandao ny zavatra rehetra izy, mba hanaraka an’i Elia mpaminany (1 Mpanjaka 19:19-21). Nefa rehefa hifarana ny asa fanompoan’i Elia, dia hozahan-toetra ny finoan’i Elisa (2 Mpanjaka 2:1-7). Maro mantsy ny olona niezaka handresy lahatra azy tsy hanaraka ilay mpampianany intsony, satria hoesorina aminy izy. Ary i Elia mihitsy aza, tamin’izy ireo niara-nandeha, no nanitrikitrika imbetsaka, mba tsy hisahiranan’i Elisa hanaraka azy intsony. Nefa tsy nanaiky horesen-dahatra i Elisa, ka namaly hatrany hoe : „Tsy handao anao mihitsy aho” (2 Mpanjaka 2:4). Ary talohan’ny nanesoran’Andriamanitra an’i Elia, dia nangataka i Elisa mba homeny „anjaran-droa” amin’ny fanahiny (and 9). Asehon’izany fangatahana izany ny iraiketan’ny fony : ny fahafahana manatanteraka ny asa fanompoany no hany angatahiny.

Ho antsika ihany koa, Andriamanitra dia nanomana mialoha asa tsara mba hotanterahintsika. Aoka isika hihaino tsara izany antso ataon’Andriamanitra amintsika izany ! Paoly dia nampahery an’i Timoty, mpanompo mahatokin’i Kristy, ka nampahatsiaro azy mba hamelona „ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra” izay ao anatiny (2 Timoty 1:6). Ary aoka isika hanana faharetana ! Tamina vanimpotoana nandaozan’olona maro an’i Jesosy, ny tenin’i Petera dia nampiseho ny zavatra manosika azy haharitra : „Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay”. Ny tena antony manosika ny kristiana dia ny fitiavan’ny Tompo Jesosy antsika sy ny famonjena atolony. Io fitiavana io no manome antsika antony mitombina haharetana manaraka Azy !