Alakamisy 19 Mey 2022

Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy : Raiko, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’izy mirahalahy ny fananany. Lioka 15:12

Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Lioka 15:20

 

Ilay ray tsara indrindra

Tsara vakina : Lioka 15:11-24

Ao amin’ilay fanoharan’ny Baiboly antsoina hoe „ilay zanaka adala”, dia nitaky „ny anjara fananana tokony ho azy” io zanakalahy io. Te handova avy hatrany izy, toy ny hoe efa maty sahady ny rainy, aminy. Te hiaina samirery ny fiainany izy, te hahaleo tena. Tsy niady hevitra ny rainy, na dia nanahy ny amin’ity zanany aza. Navelany nandeha izy, nefa tsy nafoiny ; tsy nanadino azy Izy, ary niandry azy tam-pitiavana.

Dia tonga tokoa izay tsy maintsy tonga… Nolanilanian’ity zanakalahy ity ny fananany rehetra, ka tsy nanan-koraisina intsony izy, lavitry ny fianakaviany, mosarena, very ary fadiranovana. Tsy nisy azony natao afa-tsy zavatra roa : na mikiribiby amin’ny faniriany te hahaleo tena tsy miankina amin’ny rainy, na miverina mody any an-trano ka miaiky ny fahadisoany… Inona no ho nataonao, raha ianao no teo amin’ny toerany ?

Andriamanitra dia mamela ny olona hanao safidy malalaka, mamela azy hanao andrana eo amin’ny fiainany. Tia antsika Izy, manasa antsika hihaino Azy… ary miandry ny valintenintsika.

Jereo anefa ny tohin’ny fanoharana : niverina ilay zanakalahy ! Ary ny sarotra inoana indrindra dia ny fandraisan’ilay ray sy ny hafaliany noho ny fiverenan’ny zanany : nihazakazaka izy nitsena azy, namihina ny vozony, nanoroka azy, ary nanao fihinanam-be, satria ilay zanany dia „efa very, fa hita indray”.

Toy izany koa no andraisan’Andriamanitra izay manatona Azy araka ny maha izy azy, miaiky fa diso, manenina ny amin’ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra sy ny fitondrantenany tsy mendrika.

Andriamanitra dia tena Ray tsy misy toa Azy tokoa ! Anjarantsika tsirairay ny miaiky izany sy manaiky ho zanany, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.