Alarobia 18 Mey 2022

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. Jeremia 29:11

Mampitoetra tsara ny momba Izy, fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia. Salamo 113:9

 

Tsy nahazo zanaka

Fijoroana ho vavolombelona nataona vehivavy kristiana iray eto Madagasikara

„Efa nivady taona vitsivitsy izahay, nefa mbola tsy nanan-janaka ihany. Nivavaka tamin’ny Tompo aho, nitomany, ary nangataka taminy mba hitahiany anay, toy ny nataony an’i Abrahama sy Saraha. Nanaraka fitsaboana maro nahangirifiry aho, nefa mbola tsy nisy na inona na inona ihany.

Dia nitaraina mafy tamin’ny Tompo aho hoe : „Fa maninona ?” Nitomany matetika aho, ary tsy resahina intsony ny fijaliako, indrindra rehefa mahare fa misy namako bevohoka.

Andanin’izany, isaky ny mivavaka aho, dia ny teny ao amin’ny Jeremia 29 (andinin-tSoratra Masina etsy ambony) no bitsihin’Andriamanitra moramora ao an-tsofiko. Koa napetrako taminy tam-patokiana ny tohiny. Izy dia manana drafitra ho an’ny fiainako, ary fantatro fa Andriamanitra fitiavana.

Indray andro dia niantso anay ny namana iray : nisy vehivavy iray bevohoka, tsy te hitazona ny zanany, ka nitady ankohonana mba te hanangana azy. Izahay no tonga tao an’eritreritr’io namana io, ary nanapa-kevitra izahay hanangana ilay zaza, raha vao teraka izy. Ankehitriny dia eto aminay io zazavavy kely io, ary mameno fifaliana anay. Tsy nihevitra hanangana zanaka izany izahay, indray andro any. Tia anay Andriamanitra, ka nanolotra ho anay io fanomezana mahatalanjona io. Ray aman-dreny tretrika izahay. Omanin’Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra, ary nitondra zavatra maro ho anay io zaza io : fitiavana, filaminana, fahafenoana. Notanterahin’Andriamanitra ny nofinofinay, ary notanterahiny izay nampanantenainy anay : nomeny hoavy sy fanantenana izahay.

Aoka isika hatoky Ilay Raintsika any an-danitra, fa tsy handiso fanantenana antsika Izy. Samy manana nofinofy sy vinavina ny tsirairay, nefa avelao Andriamanitra hitantana ny fiainantsika. Mahagaga tsotra izao fotsiny ny drafitra apetrany.”

Vony