Talata 17 Mey 2022

Efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra. Titosy 2:11

Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy ; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny. Jeremia 24:7

 

Voavonjy mba hiara-miaina amin’Andriamanitra

Ny Filazantsara ve fanambarana fotsiny ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ? Izany no votoatin’ny hafatra ; zava-dehibe ny manaiky izany tanteraka. Ny olona mahatsapa ny maha mpanota azy ary mibebaka, dia manaiky handray ny fahasoavan’Andriamanitra ; manomboka hatreo izy dia mahazo antoka fa tsy misy fanamelohana intsony manavesatra azy (Romana 8:1). Nefa asehon’ny Baiboly antsika fa tsy ho fanafahana antsika fotsiny amin’ny fitsaran’Andriamanitra no nahafatesan’i Jesosy Kristy : „Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy” (Efesiana 2:10).

Tian’Andriamanitra ny hanafaka antsika tsy hiharan’ny fitsarana, amin’ny alalan’ny Filazantsara, izay manambara amintsika ny famonjena ; nefa antsoiny koa isika mba hanompo Azy : „Niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina” Izy (2 Timoty 1:9). Na dia sarotra amintsika aza ny mahatakatra tsara izay rehetra tanjon’izany antson’Andriamanitra izany ho antsika, dia afaka mahazo antoka isika fa ho fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra no antony (Romana 8:28). Mitondra fampianarana ho antsika ny tantaran’i Abrahama : nantsoin’Andriamanitra izy hanana fiainana hafa noho ny an’ireo mpiray tanindrazana aminy, ary ho amina tanjona sy tombontsoa hafa noho ny azy ireo. Toa an’i Enoka talohany (Genesisy 5:22), dia „niara-nandeha tamin’Andriamanitra” i Abrahama. Nantsoina hoe „sakaizan’Andriamanitra” mihitsy aza izy (Jakoba 2:23), ary nanambaran’Andriamanitra ireo tsiambaratelony.

Amin’ny alalan’ny Filazantsara Andriamanitra dia maneho amintsika tontolo iray hafa, dia ny „fanjakan’ny Zanany malalany” (Kolosiana 1:13). Ao dia sehatra anekena ny zony, ary ao no misy ny kristiana rehetra. Ndao hiaina araka ireo fitsipika fototra mifehy io fanjakana io, ka hanaja an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoantsika sy ny fankatoavantsika.