Alatsinainy 16 Mey 2022

(Hoy Jesosy :) Minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa… Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:1, 6

 

Aoka tsy holalovantsika fotsiny ireo zavatra tsotra (4)

Eny, Jesosy Kristy no „lalana tsy maintsy izorana”, raha hankany amin’Andriamanitra. Aza mihevitra antsika ho afaka ho tonga eo amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ireo fikasantsika mendri-piderana, na ireo ezaka mitohy, na ireo asa soa tsy mitady tambiny ataontsika.

Tsy azo eritreretina izany. Tsy afaka manana fifandraisana amin’Andriamanitra isika, raha tsy noho ny fahasoavana, amin’ny alalan’ny finoana. Tsy avy amintsika izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra : fahasoavana tsy refesina no hany ahafahantsika miala amin’ny fitsarany marina sy ara-drariny.

Izany ka vaovao mahafaly !

Ka tsy tianao ve ny handray izany vaovao izany am-pankasitrahana, ka hiara-miteny amiko hoe : Tsy manaiky hino izao zavatra tsy misy dikany rehetra izao aho, nefa kosa manaiky fa :

— ny Baiboly dia fanorenana mafy ho an’ny finoako sy ny fanantenako, satria izy no Tenin’Andriamanitra,

— Andriamanitra no Mpahary izao rehetra izao, ary izaho dia tsy vokatry ny kisendrasendra tsy akory,

— tsy misy etỳ an-tany, na inona na inona, afaka mampitony ny hetahetako hanana ny tena fahasambarana,

— nanana fitondrantena ratsy aho, nefa tia ahy fatratra Andriamanitra ka nanome an’i Jesosy Kristy Zanany Lahitokana, mba hisolo toerana ahy, hiaritra ny fitsarana tokony hihatra amiko,

— tsy misy famonjena afa-tsy ao amin’i Jesosy Kristy, ary tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra, hahazoako famonjena.

Ny fanekenao dia hitondra anao ho amina fahasambarana mandrakizay eo akaikin’Andriamanitra ; ny fandavanao kosa dia hahatonga fijaliana mandrakizay lavitra Azy. Tsy aleo ve misaintsaina izany ?