Alahady 15 Mey 2022

Izy nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana. Jaona 19:17, 18

 

Golgota

Golgota, Golgota, endre ! fahatsiarovana toa inona ! Teo Ianao, ry Tompo, no nampijalian’ny olona fatratra ! Teo no namirapiratra ny fitiavanao, lavorary, ambony indrindra ; Teo no nanatanterahanao ny fikasan’Andriamanitra.

 

Tsy nisy nahasakana Anao, nitondra ny hazofijalianao Ianao ; Nanarona Anao ny haizina, maty teo ambony hazo Ianao. Nanindrona Anao ny lefona… Ary ny ranao latsaka No manasa anay ho mandrakizay amin’ny fahotanay rehetra.

 

Zanak’ondry madio, tsy misy pentina, nanolo-tena ho an’Andriamanitrao Ianao ; Fofo-manitra tsy misy fangarony mameno ny lanitra, Ary hampahatsiaro anay, amin’ny taona rehetra hifandimby, Ny sorona lehibe teo amin’ny havoanan’i Golgota.

„Ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina, hamonjy antsika” (Efesiana 5:2).

„Kristy… nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay” (Hebreo 9:14).