Asabotsy 14 Mey 2022

Raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory… tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. Efesiana 6:13-16

 

Ampinga tsy lavorary

„Ny ampinga mamela zana-tsipìka ho tafiditra dia tsy ampinga”, hoy ity mpanao pôlitika iray, indray andro. Izany hevitra ankapobeny izany dia manjary manana ny lanjany feno, rehefa ny ampingan’ny finoana ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana no resahina. Singa fototra amin’ny fiadian’ny kristiana ny ampinga, ampiasaina mba hamono „ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy”. Ny „zana-tsipìka mirehitra” iray, raha mahatratra ny tanjona kendreny, dia afaka mampirehitra afo lehibe.

Ireny „zana-tsipìka mirehitra” ireny dia ny fisalasalana sy ny tsy finoana, izay ampiasain’i Satana hiezahany tsy ankijanona hanelingelenana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ohatra, tadiaviny hasisika ao an-tsaintsika fa Andriamanitra dia manao ny tsy rariny, miangatra, tsy miraharaha ny fahoriana manjo antsika, manampin-tsofina tsy mihaino ny vavaka ataontsika…

Ry kristiana, aoka isika hiambina, satria fantatr’i Satana ny kileman’ny fiarovantsika. Na zana-tsipìkany iray fotsiny aza no mahatratra antsika, dia hitondra antsika ho amin’ny fisalasalana, ny fiahiahiana, ny fikomiana na fangidiana amin’Andriamanitra Raintsika. Ho very ny fatokiantsika tsotra sy tsy misy fepetra ny fahatsarampony sy ny tsy fivadihany amintsika. Dia ho simban’izany ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ny fiadanantsika sy ny fahasambarantsika.

Ny tohan-kevitra ampiasain’i Satana dia toa marina indraindray, nefa manafina lainga mandrakariva. Aoka isika hitandrina tsara, mampiasa ny ampingan’ny finoana, mba tsy hamela, na zana-tsipìka iray aza, ho tafiditra. Aoka isika handà mafy eo no ho eo izay rehetra mametraka fisalasalana momba ny fahatsarampon’Andriamanitra, ny fahendreny, ny fitiavany, ny tsy fivadihany, na ny fiandrianany. Aza miady hevitra, fa ndao hamaly toa an’i Jesosy hoe : „Voasoratra hoe…” (Lioka 4:1-13). Izany no hany ampinga mandaitra !