Zoma 13 Mey 2022

Aza matahotra izay efa hiaretanao ; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. Apokalypsy 2:10

Ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 1 Jaona 5:4

 

Fitsidihana nandritra ny ady an-trano iray

Mitantara ny misionera iray antsoina hoe Rahalahy André, izay nitondra ny Filazantsara tany Eoropa atsinanana, tany ambadiky ny rindrim-by :

„Nanontaniako ny namako, hoe manao ahoana ilay fiangonana ao an-toerana, izay nisy olona 400 nanatrika ny fotoam-pivavahana talohan’ny ady an-trano. Hoy izy tamiko, nalahelo : „Olona 40 fotsiny sisa ao amin’ny fiangonana…” Avy eo izy dia nanafina ny ranomasony sady nanohy hoe : „Raha ny marina, nanomboka tamin’ny alahady farany teo, dia 39 sisa izahay. Maty ny zatovovavy iray 17 taona…”

Mbola tsy nahaloa-bava akory aho, dia nisy zavatra nipoaka nampitsamboatra ahy : nitohy indray ny ady. Minitra vitsy sisa, dia tsy maintsy handao ireto namako aho. Nanokatra ny Baiboliko aho ary namaky hoe nanolotra ny ainy Jesosy „mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana” (Hebreo 2:14, 15). Ny tahotra ny fahafatesana dia mahatonga antsika tsy hanana fatokiana. Toy ny hoe tsy tena mahazo antoka isika fa ho any an-danitra rehefa maty. Fantatro tsara fa rariny raha matahotra izy ireo, ao anatin’izao daroka baomba manodidina izao, nefa te hampahery azy ireo aho, ka nampahatsiahy azy fa efa nandresy ny fahafatesana ny Tompo ; koa afaka ny tsy hatahotra izany intsony isika !

Nampihatoka ny lohany ilay namako, ho mariky ny fanekeny izany, fa ny vadiny kosa nitomany mangina. Rehefa avy niara-nivavaka izahay, dia nanao veloma ahy izy mivady.”