Alakamisy 12 Mey 2022

Aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra… ; fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. 1 Petera 4:12, 13

 

Ny tanjon’ireo fijaliana, ho an’ny kristiana

Rehefa mamaky ny bokin’i Joba isika, dia gaga amin’ireo fahoriana nandalovan’io lehilahy io. Andriamanitra anefa dia nahita „fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra, ka mifady ny ratsy” (Joba 1:8). Tsy fantatr’i Joba ny antony nahatonga ny voina rehetra nanjo azy, ka ela vao takany ny tanjona nokendren’Andriamanitra tao anatin’ireo fitsapana ireo.

Ny apostoly Paoly, izay mpino niavaka ihany koa, dia nijaly mafy. Lazalazainy ao amina taratasiny iray ireo fotoana tena sarotra teo amin’ny fiainany (2 Korintiana 11:23-28), ary tantarainy eo aoriana kely fa nitalaho tamin’Andriamanitra izy mba hanafahany azy tamina zavatra iray nampangirifiry azy. Tsy nampoizina ny valintenin’Andriamanitra, nefa nitory zavatra taminy : „Ampy ho anao ny fahasoavako”.

Ireo ohatra roa ireo dia manaporofo amintsika fa tsy famaizana tsy akory ny fijaliana, eo amin’ny fiainan’ny mpino. Tokony ho hita amin’izany aza ny fikarakarana manokana ataon’ny Tompo amin’ny olony, mba hampanakekezany azy ireo aminy sy hahatonga azy ireo hitovy aminy kokoa (Hebreo 12:11).

George Whitefield, mpitoriteny anglisy tamin’ny taonjato faha-18, dia nivavaka hoe : „Tompo ô, raha azon-tory eo ambonin’ny ondan’ny fahasoavanao aho, dia fohazy amin’ny fanindronan’ny satro-tsilonao”. Ny tsilo dia mampahatsiaro ireo fijaliana niaretan’i Jesosy avy tamin’ny olombelona. Fantatr’io kristiana io fa mihalefy ny herintsika ara-panahy rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra, ka niantehitra tamin’Andriamanitra izy mba tsy ho izany ny eo amin’ny fiainany.

Ry kristiana namana, aza kivy isika ao anatin’ny fitsapana, ary aoka hahatsiaro mandrakariva „fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika” (Romana 8:18).