Alarobia 11 Mey 2022

Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy. Mpitoriteny 12:14

Fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. Lioka 10:20

 

Ny horonantsarin’ny fiainanao

Ny nosy Porto Rico dia toerana tena mety indrindra amin’ny fampitana zava-mahadomelina eo amin’i Amerika Atsimo sy Etazonia. Miambina ny polisy, ary maro ny mpampita izany no tra-tehaka ka nanefa ny saziny tao amin’ny fonjan’io nosy io. Mamangy tsy tapaka io fonja io ity vehivavy kristiana iray, ary indraindray dia manatrika ny fitsarana ireo voafonja.

Tamin’ity andro ity dia i Hector, mpanao varo-maizina fanta-daza, no voaheloka. Ny rakipeo-na resaka nifanaovany tamina mpanondrana iray hafa no nahatratrarana azy. Nitsidika azy tao amin’ny efitrakeliny ilay namantsika :

— Hector a, nohelohin’ny mpitsara ianao noho iny raki-peo iny. Fantatrao ve fa ny fiainanao manontolo dia voarain’Andriamanitra an-tsary sy feo avokoa ? Hasehony anao izany, indray andro any. Ny olona aza manana fitaovana ara-teknika ho amin’izany, ka Andriamanitra ve tsy hanana ?

Dia nasainy novakin’i Hector ny toko faha-20 ao amin’ny Apokalypsy : „Ary nahita ny maty aho… nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ; ary novelarina ny boky ; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany” (and 12).

Tamin’io andro io dia nibebaka teo anatrehan’Andriamanitra i Hector, nahafantatra fa nisolo toerana niaritra ny fanamelohana azy Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Nino izy fa voavela ny fahotany. Nanomboka teo dia voasoratra tao anatin’ny bokin’ny fiainana ny anarany, ka tsy ho fafàna tao intsony.