Talata 10 Mey 2022

Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. Kolosiana 3:1, 2

Ary nifoha marainalinakoa Izy (Jesosy), dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. Marka 1:35

 

Ireo laharam-pahamehana ho antsika

Mihazakazaka ny zavatra rehetra, fohy aoka izany ny fotoana, mirotoroto fatratra ny fiainana. Matetika dia feno ny fandaharam-potoana, ka itataovan-doza lehibe ny kristiana hanao tsirambina ny famakiana ny Baiboly sy ny fivavahana. Vao maraina dia mihazakazaka mba tsy ho tara, ary rehefa hariva dia vizana ! Indraindray dia herinandro maro no tsy ananantsika fifandraisana marina amin’ny Tompontsika !

Raha atokantsika ho Azy ny fiandohan’ny androntsika, dia mety ho toy izany koa ireo ora manaraka ; ary marina ihany koa ny mifamadika amin’izany. Aza mitady fialan-tsiny, fa ndao handamina tsara ireo laharam-pahamehana ho antsika, dia ho afaka miatrika ny tontolo andro isika, ka ny finoana no hanome antsika ny fiadanana sy ny hery.

Raha manao tsirambina ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isika, dia hahatsapa fahabangana. Angamba isika hanandrana hameno izany amin’ny zavatra atolotr’izao tontolo izao, nefa tsy hahomby izany. Ndao hitoky amin’Andriamanitra, Izay nanomana zavatra tsara kokoa ho antsika, dia ny fifaliana amin’ny fanatrehan’i Jesosy. Ndao haka fotoana hivavahana sy hamakiana ny Baiboly. Ndao hitady an’i Jesosy ao. Satria Izy koa etsy andaniny mitady antsika, dia tsy maintsy hifanena aminy isika.

Mihoatra noho ny hoe asa atao ny vavaka, ary toe-tsaina izy, alohan’ny zavatra rehetra. Ny vavaka dia maneho ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, fifandraisana miorina amina fifampitokisana sy fitiavana. Hoy ity kristiana iray : „Ny fotoana iray iarahana amin’Andriamanitra ao anatin’ny vavaka dia manamatroka ireo fahafinaretana sy fifaliana omen’izao tany izao”. Izany koa ve no zavatra iainantsika ?