Alatsinainy 9 Mey 2022

Fa Andriamanitra dia fitiavana… Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany. 1 Jaona 4:8, 10

 

Aoka tsy holalovantsika fotsiny ireo zavatra tsotra (3)

Jesosy Kristy — ny maha Izy Azy

Mba hahafahan’ny olona —amin’ny maha olona azy- mifandray amin’Ilay Mpahary azy, dia tonga olona Andriamanitra, tao amin’i Jesosy Kristy. Andriamanitra tanteraka sady olona tanteraka Jesosy, ary teto amin’ity tany ity Izy dia nanana ny toetra izay tokony ho nananantsika : Olona niraiki-po tamin’Andriamanitra, nankatò, tsy nanam-pahadisoana, tsy nanao afa-tsy ny tsara.

Jesosy Kristy — ny asany

Ny halavorariny, izay tsy zakan’ny mpiara-belona taminy, no nitarika ny fandavana Azy : novonoina ho faty teo amina hazofijaliana Izy. Nefa io halavorariny tsy misy tomika io no nahafahany nanefa teo anatrehan’Andriamanitra ny trosa goavana vokatry ny otan’izao tontolo izao. Nahantona teo amina hazofijaliana Izy, teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany, nolavin’ny olona, nefa hamonjy azy ireo no anton’ny nahatongavany, ary nafoin’Andriamanitra, nefa ny sitrapon’Andriamanitra no nataony. Koa rehefa feno ny fepetra takin’ny fahamarinan’Andriamanitra, ka nitony ny fahatezerany noho ny ota, dia natsangany tamin’ny maty Jesosy ka napetrany eo ankavanany, ary notendreny ho „Mpitsara ny velona sy ny maty”.

Jesosy Kristy no manafaka antsika

Andriamanitra dia fahazavana, koa raha Mpitsara lavorary sy tsy milefitra fotsiny Izy, dia ho kely ny fanantenantsika ho voavonjy… Ny Baiboly aza dia milaza amintsika fa tsy hisy mihitsy izany.

Andriamanitra anefa dia Andriamanitry ny fahagagana : izay tsy hain’ny olombelona atao dia hain’Andriamanitra atao. Noho ny asa nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, dia omen’Andriamanitra famelan-keloka izay miaiky fa mpanota sy mino ny Zanany.

(amin’ny heriny ny tohiny sady farany)