Alahady 8 Mey 2022

Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray ? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany ? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany ? Iza no naha-misy ny faran’ny tany rehetra ? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany ? Fa toa fantatrao ! Ohabolana 30:4

 

Fanontaniana fototra

Ireo mpianatr’i Jesosy dia nanaraka Azy ary nahita ny heriny, ny fony feno fitiavana, ny finiavany handia ny lalany sarotra, na teo aza ny fanoheran’ny maro, indrindra ireo Fariseo, izay tapa-kevitra hamono Azy (Matio 12:14). Nanontanian’i Jesosy ny mpianany, indray andro, hoe : „Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?”. „Jaona Mpanao batisa… Elia…”, hoy izy ireo namaly. Olona vitsy kely no nahatakatra fa Izy no Ilay Mesia, Ilay Zanak’Andriamanitra, na dia teo aza ireo fampianarana nomeny sy ireo fahagagana nataony. Koa nanontany mivantana ireo mpianany Jesosy, hoe : „Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ?” (Matio 16:13-15).

Nametraka ireo fanontaniana ireo ve Jesosy, satria te hahalala ny hevitry ny tsirairay manodidina Azy ? Tsia ! Fa nampisaintsaina ny mpianany Izy, ary mampisaintsaina antsika tsirairay ankehitriny koa, dia izaho sy ianao : „Iza moa Aho, aminao ?” Hoy i Petera namaly : „Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:16). Io no valinteny marina, nohamafisin’i Jesosy tatỳ aoriana : „Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho, ka tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 16:28).

Mino izany ve ianao ? Mino koa ve ianao fa rehefa avy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, dia nitsangana tamin’ny maty ary niakatra any an-danitra, araka ny ambaran’ny Filazantsara ? Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no fototra iorenan’ny Fiangonana, dia ny fitambaran’ireo izay mino Azy. Raha tsy misy an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tsy misy na ny famonjena, na ny fahasoavana, na ny famelan-keloka.

Aminao, iza moa Jesosy ?