Asabotsy 7 Mey 2022

Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony, amin’ny filôzôfia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy. Kolosiana 2:8

Ny fahamarinana… ao amin’i Jesosy. Efesiana 4:21

 

Ny fomba nahafantarako ny fahamarinana

„Ho ahy dia ny finoana kristiana no fahamarinana. Tsy hoe fahamarinana ara-pivavahana fotsiny tsy akory, fa fahamarinana momba izay rehetra misy. Fony mbola tanora aho dia tsy mpino. Rehefa 17 sy 18 taona aho dia namaky boky-na filôzôfia maro, ka nahatakatra fa ireo filôzôfa tsy kristiana dia tena nanan-talenta… hampisongadina olana sy tsy hamaha azy ireny mihitsy. Indray andro aho dia nanapa-kevitra hamaky ny Baiboly.

Tsy nahafantatra na inona na inona ny aminy aho, ka nanomboka hatrany amin’ny voalohany, toy ny fanao amina boky hafa rehetra. Vao teo amin’ireo toko voalohany amin’ny Genesisy aho dia nahatakatra fa tsy tokony hametraka hevitra mialoha rehefa mamaky azy, raha te hahita valiny amin’ireo olana nasongadin’ireo filôzôfa nefa tsy novahany. Tsy fantatro ny fotoana nitodihako tamin’Andriamanitra, nefa fantatro ary azoko antoka fa ny Tenin’Andriamanitra no nahatonga izany.

Ny Baiboly tokoa mantsy no fahamarinana, ary ny fiovam-poko dia nifototra indrindra tamin’ny fahatakarako marina izay zavatra nianarako. Tsy midika tsy akory izany fa tsy nampihetsi-po ahy ny toejavatra niainako tany aloha, na tsy narahina fankasitrahana… Efa 50 taona izao no nianarako, ary miha resy lahatra kokoa hatrany aho ny amin’ny fahamarinan’ny finoana kristiana sy ireo valy omen’Andriamanitra antsika ao amin’ny Baiboly. Manoloana ny fanontaniana rehetra mipetraka amin’ny olombelona, dia tsy misy rafitra —na ara-pivavahana na ara-pôlitika, na tandrefana na tatsinanana, na ankehitriny na tranainy- manolotra valiny tandrify toy ny ataon’ny Soratra Masina.”

Francis Schaeffer