Zoma 6 Mey 2022

Hoy Tomasy taminy : Tompoko, tsy fantatray izay alehanao ; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana ? Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:5, 6

 

Aiza ny lalana ?

Very tany an-tendrombohitra ity mpitsangantsangana iray. Tonga teo amina sampanan-dalana izy : iza no lalana tokony haleha ? Iza no mankany an-tanàna ? Soa ihany fa ity nisy mpitsangantsangana tokony ho afaka manoro lalana azy. Somary be resaka izy ity, nanomboka nitantara ny fiainany, niresaka momba ny tendrombohitra, momba ny ho toetrandro. Fa raha ny momba ny tanàna halehan’ity namantsika kosa, dia tena tsy fantany ; ity angamba no lalana, raha tsy hoe irỳ… Fa tonga kosa ny vehivavy iray tena mponina an-tendrombohitra ; avy ao amin’ilay tanàna resahina mihitsy izy, ary tena fantany tsara aza ny trano tian’ilay vahiny diso lalana haleha. „Manaraha ahy”, hoy izy, dia nazava tamin’ilay mpitsangantsangana ny zavatra rehetra : io olona io no vahaolana, izy no lalana azo antoka.

Tsy ilaina ny mahafantatra ireo karazam-pivavahana, ny mampitaha ny lalana samihafa arahin’ny olona, anandramany hahazo ny lanitra, ny mamelabela-kevitra momba ny filôzôfia. Tsy ilaina ihany koa ny mahafantatra hoe misy Andriamanitra na ny miady hevitra momba ny Baiboly. Rehefa very, dia fanontaniana iray ihany no zava-dehibe : Aiza ny lalana ? Fohy toy ny fanontaniana ihany ny valiny : „Izaho no lalana”, hoy Jesosy. Koa raha Izy no lalana, inona sisa no hatao ? Mbola omen’i Jesosy ihany koa ny valiny : „Manaraha Ahy ianao” (Jaona 21:22). „Tsy misy famonjena amin’ny hafa” (Asan’ny Apostoly 4:12). Jesosy irery no hany lalana. Izy no lalana feno. Izy no lalana ankehitriny.