Alakamisy 5 Mey 2022

Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra. 1 Petera 4:10

… mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy. Hebreo 12:2

 

Milalao ilay feon-kira voasoratra

Izao hariva izao dia misy feon-kira vaovao ianaran’ny sasany amin’ireo mpiara-mitendry zava-maneno aminay. Sahirankirana izahay manaraka ny mpitarika amin’ny fanisana ny paika, mba hitendry amin’ny fotoana tandrify. Tsy maintsy manaraka ny mpitarika izahay tsirairay, samy „mifikitra” amin’ny feon-kira anjarany avy, ary mizatra amin’izany mandra-pahatonga ny fotoana hiarahanay rehetra milalao ilay feon-kira manontolo.

Izany dia mampahatsiaro ahy hoe samy naharay antso na asa fanompoana avy amin’Andriamanitra ny kristiana tsirairay. Ny hoe manaraka ny „feon-kira voasoratra” dia hoe tsy mivadika amin’ny Tenin’Andriamanitra. Taomina ny tsirairay hitana am-pitandremana ny toerany ao amin’ny „fiaraham-peon-javamaneno” manodidina ny Mpitarika, dia ny Tompo Jesosy. Izy no mibaiko ny paika sy ny gadona, ka tsy maintsy manaraka Azy ny kristiana, rehefa mankalaza an-kafanam-po ny voninahitr’Ilay Andriamanitry ny fahasoavana ny feony, na mivetsovetso moramora ny finoana mamakivaky am-paharetana ny fizahan-toetra, na mangina mba hiray fo amin’io namana ory io, na hihira ny antsan’ny fanantenana.

Angamba ianao mahatsapa tena ho „mpitendry zava-maneno manirery”, ho hany kristiana eo amin’ny manodidina anao. Aza kivy, fa araho tsotra fotsiny Ilay Mpitarika, ka lalaovy tsara indrindra araka izay azonao atao ny „feon-kiranao”, izany hoe araho akaiky ny hafatr’Andriamanitra : tiava, mamelà heloka, misaora, aza reraka manompo an’Andriamanitra sy manompo ny namanao. Tsy ho ela dia hisy olona hafa hanatona hiaraka aminao. Ary indray andro any isika dia hiara-mihira ilay „rindram-peo” mandrakizay, ho voninahitr’Andriamanitra.