Alarobia 4 Mey 2022

Ary ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny ? Tsia, hoy Izaho aminareo ; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. Lioka 13:4, 5

 

Fampitandremana

Ny tantara dia tsy milaza na inona na inona amintsika, momba izany tilikambo naorina tany Jerosalema teo akaikin’ny dobo filomanosana tao Siloama izany, tilikambo nahafaty olona valoambinifolo rehefa nianjera. Ny Baiboly anefa dia mitatitra amintsika izany zava-nitranga mahatsiravina izany, sy iray hafa mbola mampihoron-koditra kokoa (Lioka 13:1-5). Eto Jesosy dia mampahatsiahy ireo tranga ireo, mba ho fampitandremana ny olona rehetra. Andriamanitra dia mampiasa ny zava-mitranga rehetra eto amin’izao tontolo izao, mba hitenenany amintsika amin’ny fomba manetriketrika. Toy ny miteny amintsika Izy hoe : „Inona no hiafaranao, raha maty tampoka ianao androany ?”

Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe „ringana” dia misy dikany manokana. Tsy hoe maty amin’ny fomba feno herisetra na tampoka fotsiny, fa koa mitoetra mandrakizay lavitra ny fanatrehan’Andriamanitra (Matio 22:13).

Ny tanjon’i Jesosy izany dia ny hitarika ireo izay nihaino Azy, sy isika rehetra ihany koa, mba hibebaka, hiaiky fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra, hahatsapa fanenenana marina noho ireo fahadisoana. Nefa teo koa Jesosy mba hilaza amin’izy ireo fa manana ny fahefana etỳ an-tany hamela heloka. Hiroso eo amin’ny hazofijaliana mantsy Izy, ary eo no hiaretany ny fitsaran’Andriamanitra izany heloka izany.

Tokony hino, mba hahazo izany famelan-keloka izany, mino ny Tompo Jesosy mba ho afaka sy hanana ny fiainana mandrakizay. Koa na maty aza isika, na miverina Jesosy haka ny olony dieny izao fahavelomantsika izao, dia hiaina mandrakizay miaraka aminy isika. Aza varivariana, fa ndao handray io lalam-pamonjena atolotra maimaimpoana io.

„Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara” (Marka 1:15).