Talata 3 Mey 2022

Fa tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany… Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra, avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe : „Ny marina amin’ny finoana no ho velona”. Romana 1:16, 17

 

Mitsiriritra ireo manana finoana aho

„Mampitolagaga ahy ireo izay mivavaka sy manana finoana, ary mitsiriritra azy ireo aho.” Fa nahoana àry io mpanao gazety io no tsy maka tahaka ireo mino ? Inona no manakana azy tsy hanana finoana ? Hoy ny Baiboly amintsika : „Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). Tsy hoe mino tsotra fotsiny fa misy Andriamanitra, fa mino izay lazainy. Izy dia miteny amintsika ao amin’ny Baiboly, izay Teniny voasoratra. Tokony hino ny Baiboly isika. „Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana” (Romana 4:5). Tsy mila manao ezaka maha mendrika vao hahita an’i Kristy. Eto amin’ny firenentsika dia mbola azon’ny olona rehetra vakina ny Baiboly. Isika ve te handray azy am-pinoana, sa tsia ? Samy tsy ilaina na fahaizana manokana, na fahiratan-tsaina, na asa, fa ny finoana izay ambaran’Andriamanitra : „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9).

Inona no manakana antsika tsy hino izany ? Ny fisaintsainantsika ve ? sa ny manodidina antsika ara-pianakaviana na arak’asa ? sa ny avonavontsika ? Nandritra ny fiainany tetỳ an-tany, dia niteny Jesosy hoe : „Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana… Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo ?” (Jaona 5:40, 44).

Ndao hieritreritra ireo vato manakana antsika tsy hino, ary hangataka amin’Andriamanitra hanala azy ireo. Hataony izany, satria ny fahamoram-panahiny dia mitaona antsika hibebaka (Romana 2:4). Miankina amin’izany ny fahasambarantsika mandrakizay !