Alatsinainy 2 Mey 2022

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra. Jaona 1:1-3

Ilay (Andriamanitra) naseho teo amin’ny nofo. 1 Timoty 3:16

 

Aoka tsy holalovantsika fotsiny ireo zavatra tsotra (2)

Iza no hinoana ?

Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia manambara ny tenany ho

— Ilay Mpahary izao tontolo rehetra izao,

— Ilay tia ahy,

— Ilay marina tanteraka.

Raha Andriamanitra no Ilay Mpahary, ary ny olona no voariny, dia tsy ilaina ny mangataka amin’ny olona mba hanazava ny momba an’Andriamanitra. Fa fahendrena kosa ny mangataka amin’Andriamanitra mba hanazava ny momba ny olona.

Raha Andriamanitra no Ilay tia sady marina tanteraka, dia tsy afaka ho tompon’andraikitra Izy amin’ny niavian’ny ratsy mampijaly antsika.

Nahoana no mino ?

Noarìn’Andriamanitra ny olona, ka tsy singa samihafa voalanjalanja sy mirindra tsara fotsiny tsy akory izy, fa manana aina sy afaka mifandray amin’Ilay Mpahary azy. Ny Baiboly dia mampahalala antsika ny loharanon’ny olana mianjady amintsika : tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona, ka nanapaka ny fifandraisana taminy. Ankehitriny ny olona, toy ny tany aloha ihany, dia mitsapatsapa mikaroka ilay fahasambarana very, izay tsy hita afa-tsy ao amina fifandraisana velona amin’Andriamanitra sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. Mazava ny lazain’ny Baiboly antsika hoe raha tsy izany, dia very ny olona.

Tsy misy manoloana antsika ve, afa-tsy famoizam-po mandrakizay lavitra an’Andriamanitra ? Dia tsy mba afaka hanao na inona na inona ve Andriamanitra ?

Efa nanao betsaka Andriamanitra. Efa vitany aza hatramin’ny nanome ny Zanany, mba hamonjeny antsika sy hanaovany antsika ho zanany !

(amin’ny heriny ny tohiny)