Alahady 1 Mey 2022

Namaly Jesosy ka nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Matio 11:25

Isika no nanambaran’Andriamanitra izany, tamin’ny Fanahy. 1 Korintiana 2:10

 

Tsotra nefa lalina

Rehefa miteny Jesosy dia mampita ny fihevitr’Andriamanitra amin’ireo izay mihaino Azy. Na izany aza, ny hevitry ny teniny dia „nafenina tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina”, nefa kosa, hoy Izy, „naseho tamin’ny zaza madinika”, izay nandray izany tsy niady hevitra na nandahatra hevitra. Ireo hafatra entin’ny Baiboly dia takatry ny olona faran’izay tsotra, satria inoan’izy ireo. Ireo hafatra ireo dia tsy mila fikarohana mitaky ny faharanitan-tsainan’ny olombelona. Indreto ohatra vitsivitsy :

— „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1) : fehezanteny fohy mametraka ny fiandohan’izao tontolo rehetra izao, maneho ny hery sy fahendrena ary fahatsaram-pon’Ilay Mpahary.

— „Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8, 16) : teny telo manambara ny toetra anaty maha Izy Azy Ilay Mpahary antsika.

— „Ny Ray tia ny Zanaka” (Jaona 5:20) : aharihary ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny Zanany.

— „Tsy misy marina na dia iray akory aza… Fa samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:10, 23) : toejavatra mazava sy tsy azo iadian-kevitra.

— „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27) : tsy azo ihodivirana izany.

— „Ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4:14) : ny drafitr’Andriamanitra manontolo, ho famonjena ny olona.

— „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31) : fampanantenan’Andriamanitra, mazava sy mora takarina.

— „Jesosy nitomany” (Jaona 11:35) : ny fangoraham-pon’Andriamanitra manoloana ny fahafatesana sy ny vokatr’izany eo amin’ny olombelona.

— „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36) : antoka ho amin’ny mandrakizay, amin’ny alalan’ny finoana tsotra fotsiny ihany.