Asabotsy 30 Avrily 2022

Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe : Tsy tsara raha irery ralehilahy ; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. Genesisy 2:18

Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny ; ary dia ho nofo iray ihany ireo. Genesisy 2:24

 

Ny fanambadiana, fanakambanana notadiavin’Andriamanitra

Ny hoe mivady dia mikambana ho iray. Fikambanana ara-panjakana izany, ampahibemaso, eo amina lehilahy iray sy vehivavy iray, mandritra ny fiainana manontolo eto an-tany. Fikambanana eken’Andriamanitra izany, fifamatorana naoriny. Hoy Jesosy amintsika : „Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona” (Matio 19:6). Ao anatin’io sehatry ny fanambadiana io no nanomanan’Andriamanitra hiainana ny firaisana ara-nofo, miaraka amin’ny fahasambarana lehibe hananan-janaka (Genesisy 1:28). Ny fitiavan’ny mpivady dia iainana ao anaty fiombonana marina am-panahy, an-tsaina ary ary ao amin’ny vatana. Ny antsoina ankehitriny hoe manao firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana, dia lazain’ny Baiboly hoe mijangajanga, na maka vadin’olona. Mety hipetraka ny fanontaniana hoe : — Raha mametra antsika toy izany ve Andriamanitra, dia tena mitady tokoa izay hahasambatra antsika ? Ary koa, maro aoka izany ireo fanambadiana ratsy fiafara, na dia eo amin’ny samy kristiana aza… Koa raha izany, ahazoana tombony ve ny manambady ?

— Andriamanitra ve tsy namorona tam-pitiavana sy tam-pahendrena ireo mpivady voalohany, ary nanomana ny zavatra rehetra hahasambatra azy ireo ? Iza, mihoatra noho Ilay Andriamanitra Mpahary antsika, no hahay hanoratra „sori-dalana” ho antsika ?

Ny Baiboly dia tsy maneho ny fanambadiana ho fanalahidin’ny fahasambarana, na toy inona na toy inona fitondrantenantsika. Lazainy antsika ny fepetra ahafahan’ny fitiavan’ny mpivady mivelatra sy miha mitombo. Ohatra, amin’ny fanekena ny toetra maha tsy ifampizarana ny fanambadiana —ny lehilahy sy ny vadiny- sy ny fifamenoan’ny mpivady. Ny mikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra, mba hiainana izany, no loharano tsy mety ritra hahazoana fitahiana.

Ny lehilahy sy vehivavy miara-miaina tsy mivady dia akambana fifamatorana voafetra sy voarefy. Fa ny fanambadiana ankasitrahin’Andriamanitra kosa dia midika fifamatorana feno, mandra-maty, ao amina fitiavana tsy miovaova, miantehitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.