Zoma 29 Avrily 2022

… mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. 1 Petera 2:9

Mandehana faingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakelidàlana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa… ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko. Lioka 14:21-23

 

Koa aiza izany no mivelatra ny fitiavana ?

Novain’ny dokoterako ny haingon’ny efitrano fizahany ny marary : nametahany sary hosodoko lehibe maneho tanàna môderina, miloko matroka misy volondavenona sy mena antitra. Toa mitankosona be ihany ny rehetra eo amin’ilay sary, tsy misy hazavana, tena mitory alahelo !

Rehefa tafaverina tao amin’ny biraon’ilay dokotera aho, dia nilaza taminy ny fahitako io sary hosodoko vaovao io. „Mba te hiova filamatra aho”, hoy izy namaly ahy, ary nanampy hoe : „saingy ity no tiako kokoa !” sady nanondro sary-na voary kanto maneho tendrombohitra, tao aorianako.

Nampieritreritra ahy ny fifangarihan’ireo sary hosodoko roa ireo. Rehefa mitsabo marary io dokotera io, dia manao asa tena mahasoa, saingy toy ny ao amina tanàna maloka. Ilainy koa ny tendrombohitra, toerana avo ahazoany aina sy manala sasatra ny sainy…

Amin’ny maha kristiana ahy, dia ilaiko ny fotoana tony toy izany, mitovy amina fandehanana an-tongotra any an-tendrombohitra. Ireny no fotoana anakekezako ny Tompo, mba hitadiavako Azy sy hiderako Azy… Nefa irahiny koa aho ho any amin’izao tontolo izao. Hoy Izy tamin’ny Rainy, mantsy ny mpianany : „Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao” (Jaona 17:18).

Ry mpino, manana asa nanirahan’Andriamanitra antsika isika, dia ny hitory „ny harenan’i Kristy tsy hita lany” (Efesiana 3:8). Jesosy dia nandehandeha nanao soa (Asan’ny Apostoly 10:38), ary miantso antsika „hanao soa amin’ny olona rehetra” (Galatiana 6:10). Koa aiza àry no ahafahan’ny fitiavan’Andriamanitra mivelatra amin’ny alalantsika ? Eny rehetra eny, indraindray aza any amin’ireo toerana maizina sy mampalahelo, eto amin’ity tontolo misy antsika ity.