Alakamisy 28 Avrily 2022

Andriamanitra… ankehitriny… mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty. Asan’ny Apostoly 17:30, 31

 

Izy no tsy mamela ahy hilamina

Ny mpampianatra filôzôfia anay dia tsy nitsahatra nanakiana ny Baiboly. Indray andro dia nanontaniako izy, taorianan’ny fampianarana :

— Tsy hitanao hoe omenao lanjany be loatra ve ny Baiboly ? Nahoana izy no tsy avelanao hipetraka tsara any ?

— Marina ny anao, nefa angamba izy no tsy mamela ahy hilamina, hoy ny valinteniny.

Ny Baiboly dia milaza amintsika tantara-na mpanjaka iray nangataka ny hamakiana aminy ireo teny notononin’Andriamanitra tamin’i Jeremia mpaminaniny (Jeremia 36). Ireo teny ireo dia fampitandremana manetriketrika avy amin’Andriamanitra, ary tena tsy nampahazo aina azy. Raha te hiala amin’ireo fitsarana voambara ny mpanjaka, dia tsy maintsy manova ny fomba fiainany ary mibebaka, nefa tsy te hanao izany mihitsy izy. Koa tsy niandry ny faran’ny vakiteny izy, fa nanipy ilay boky tao anaty afo.

Tsy toy izany no hahitana fiadanana. Naverin’i Jeremia nosoratana tao anaty horonana hafa ilay boky, araka ny tenin’Andriamanitra taminy. Ary tanteraka antsakany sy andavany tokoa ireo fitsarana nambaran’ny mpaminany.

Eny, ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, Tenin’Ilay Andriamanitra tia antsika. Amin’ny alalany dia mampitandrina sy mitaona antsika Andriamanitra, hanova fihetsika eo anatrehany sy hanova ny fomba fiainantsika. Tsy mamela antsika hilamin-tsaina angamba ireny fampitandremana ireny, ary mifanohitra amin’ireo fironana ratsy ao anatintsika. Nefa ve ny Baiboly tsy milaza ny marina ? Feo ao anatintsika no mandresy lahatra antsika hoe izany mihitsy, dia ny feon’ny fieritreretantsika.

Aza manampin-tsofina amin’ireo antson’Ilay Andriamanitra te hamonjy anao. Katsaho ny fihavanana aminy, aza mampangina io feo io !