Alarobia 27 Avrily 2022

Aza manaraka ny maro hanao ratsy ; ary aza mamaly ny amin’ny adin’olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. Eksodosy 23:2

 

Mpanara-driandrano ve ?

Ny andian’ondry dia manaraka anjambany ny ondrilahy mitarika azy. Mety hahatonga loza mahatsiravina izany : biby miisa 320 no nivarina tany anaty hantsana tany Torkia, tamin’ny taona 2006. Tany Tyrol, mba tsy dia ratsy toy izany ny fiafarany : ondry 80 no tafiditra tao anaty trano fivarotana kojakoja momba ny fanatanjahantena. Angamba ilay ondry nitarika, voafitaka nahita ny sariny teo amin’ny varavarana fitaratra. Nanaraka azy ny sisa, ka farany dia tafiditra tao anatin’ilay trano fivarotana ny andian’ondry iray manontolo !

Rehefa misy olona tsy hita isa manao zavatra iray mitovy, amin’ny fotoana iray, ka manadino ny mandanjalanja, dia sahala amina andian’ondry toy izany. Toy izany fahiny no nataon’ny vahoaka nampirisihin’ireo mpitari-pivavahana, ka nitaky ny hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana.

Amin’izao fotoana izao koa dia misy mpitarika. Manaraka azy ny ankamaroan’ny olona ary mihevitra fa voatarika ho any amin’ny marina. Araka izany, ireo mpitarika ny hevitry ny olona dia nilaza fa niaina ara-tantara kokoa Jesosy, saingy tsy Zanak’Andriamanitra. Ambarako marimarina anefa fa Jesosy Kristy dia Ilay Zanak’Andriamanitra, velona ankehitriny any an-danitra, ary ao am-po sy sain’ny olona tsirairay mitoky aminy. „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay”, ary fihavanana mandrakizay amin’Andriamanitra izany. Fa „Izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36).

Mifanohitra amin’ny hevitry ny ankamaroan’ny olona ny mino manokana an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Izany anefa dia safidy lehibe sy mazava.