Talata 26 Avrily 2022

Apetraho aminy (amin’Andriamanitra) ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7

 

Tsy olana !

Nahazo toerana lehibe aoka izany eo amin’ny fifampiresahantsika io fiteny io, hany ka nilaza azy io ho „aretina” mihitsy ity gazety iray nandinika ireo fiteny mahavantana antsika. Valinteny mora io, manafina ireo ahiahy ary tsy manome vahaolana, valintenin’ny mpivarotra amin’ny mpividy izay manahy momba ny fe-potoana hanaterana ny entany any an-tranony, valintenin’ny dokotera mba hampitony ny marary tsaboiny. „Tsy olana”, hoy koa ny mpanao asa tanana nampamboarana zavatra simba.

Mampitony io fiteny io, ato anatin’izao tontolo miha mahery setra kokoa hatrany izao, nefa mety hanimba ny filaminantsika ary mety hiteraka fikorontanan-tsaina sy tebiteby, rehefa mihamaro ny zava-mampanahy.

Ny Baiboly dia mampitaha ny ahiahy eo amin’ny fiainana amina tsilo mangeja ny fiainam-panahy (Lioka 8:14). Lany fotoana isika miady hanala ireo ahiahy eo amin’ny andavanandrom-piainantsika, hany ka mety holalovantsika fotsiny ny zava-dehibe fototra.

Jesosy dia manolotra fihetsika hafa, manoloana ny tebiteby sy ny olana mpahazo antsika. Hoy Izy : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).

Eo akaikiny eo, satria fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia lazao Azy amin’ny fomba fitenintsika izay rehetra manavesatra ny fontsika. Tsy voatery hanova ny toejavatra iainantsika Izy, ka hiteny hoe „Tsy olana !”, fa eo anivon’ny fahasahiranantsika mihitsy aza no hamenoany fiadanana antsika. Ary Izy no hitantana ny toejavatra eo amin’ny fiainantsika, mba hahasoa antsika.

„Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6, 7).