Alatsinainy 25 Avrily 2022

Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita… Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. Hebreo 11:1, 6

 

Aoka tsy holalovantsika fotsiny ireo zavatra tsotra (1)

Inona no tokony hinoana ?

Misy isan-karazany ny finoana. Ny olona sasany mino zavatra „tsy azo inoana”, ny hafa kosa mandà tsy hino zavatra miharihary. Raha izaho manokana, dia fantatro izay inoako. Mino izay hitan’ny masoko aho, nefa tsy izany ihany, fa zavatra tsy hitako koa, rehefa mendrika ny hinoana izy ireny.

Izay inoako dia voarakitra ao amina boky iray miavaka amin’ny rehetra sady tsy misy toa azy, dia ny Baiboly.

Mba efa heno noresahina ve izany boky hoe nosoratana an’arivo taona maro lasa, hita eny amin’ny fivarotam-boky rehetra ankehitriny, ary be mpividy indrindra mandrakariva maneran-tany ?

Azo hazavaina amina fomba mitombina ve fa mpanoratra efapolo mahery, izay tsy nifankahalala akory ny ankamaroany, nonina tany amina firenena samihafa, nandritra ny taonjato eninambinifolo, avy tamin’ny ambaratongam-piarahamonina rehetra, no afaka nanoratra boky voamarika firaisan-tsaina tena manaitra sy hafatra manohina fo, nanova tanteraka fiainan’olona ana hetsiny, boky miseho amin’ny tena maha izy azy marina tokoa, dia amin’ny maha Tenin’Andriamanitra azy… Io boky io dia mampahafantatra antsika fa nidina avy tany an-danitra Ilay Zanak’Andriamanitra, satria tia ny olombelona ary te hamonjy azy.

(amin’ny heriny ny tohiny)