Alahady 24 Avrily 2022

Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra ; Izy no nanao antsika, ary Azy isika… Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin’ny fiderana ; misaora Azy, mankalazà ny anarany, fa tsara Jehovah ; mandrakizay ny famindrampony. Salamo 100:3-5

 

Ny vavahadin’ny fanatrehan’Andriamanitra

Any amina tanàna sasany eto amin’izao tontolo izao dia ahitana vavahady malaza, toy ny vavahadin’i Brandebourg (Berlin), ny vavahadin’i Jaffa (Jerosalema)… Ny sasany amin’ireny dia misokatra ; ny sasany, mihidy.

Fa ireo vavahady mitondra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra kosa dia misokatra mandrakariva.

Ny mpamaky ny Salamo faha-100 tany Israely dia notaomina hiditra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Nisy dingana roa mba hanatonana an’Andriamanitra : tsy maintsy miditra eo amin’ireo vavahady, aloha ; avy eo, miditra eo an-kianja (ireo toerana manoloana ny tempoly).

Toy izany koa eo amin’ny fiainantsika kristiana : indraindray isika dia mety hahatsapa ho lavitra an’Andriamanitra. Raha izay, dia ndao hanatona Azy, hiditra eo amin’ireo vavahadiny amina vavaka fankasitrahana, hiditra eo an-kianjany amin’ny fiderana.

Amin’ny vavaka no isaorantsika an’Andriamanitra, noho izay rehetra nataony ho antsika. Amin’ny fiderana no anekentsika sy ankalazantsika ny fahalehibeazany sy ny fitiavany.

Ny mpino ao amin’ny Testamenta Taloha dia notaomina hiditra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, amina vavaka fankasitrahana sy fiderana, satria „tsara Jehovah ; mandrakizay ny famindrampony, ary mihatra amin’ny taranaka faramandimby ny fahamarinany”. Na dia nania nanalavitra an’Andriamanitra Azy aza izy ireo, Izy kosa dia tsy niova ary mbola nanohy nitaona azy ireo hiditra eo amin’ny fanatrehany. Mivoha lalandava ireo vavahady hanatonana an’Andriamanitra, na diso lalana aza isika. Ny miverina aminy dia ampy. Andriamanitra tsy manilika an’iza na iza !