Asabotsy 23 Avrily 2022

Ary ilay nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny (tenin’Andriamanitra), ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy. Matio 13:22

 

Efijery (écran)

Ny teny frantsay hoe „écran” dia miavaka, satria manondro zavatra iray sady manondro koa ny mifanohitra amin’izany.

— Efijery mampiseho : Mbola tsy nanana efijery maro toy ny amin’izao fotoana izao isika : fahitalavitra, solosaina, finday, fafana (tablette)… Izy rehetra ireo dia mampiseho, manondro, mampahafantatra. Eo no ho eo ny fifandraisana, ary be dia be. Sary, soratra ary mozika no misintona ny saintsika, ny herintsika, sady mandany ampahany be amin’ny fotoanantsika.

— Efijery manafina : Toy ny rahona manakona ny masoandro, ireo efijery rehetra ireo dia manenika ny fiainantsika, ary mety hanafina amintsika ireo zavamisy fototra. Horonan-tsarimihetsika, lalao vidéo, tranonkalam-pifandraisana, internet : zavatra marobe ireo, mety hanadinoantsika fa Andriamanitra dia te hiresaka amintsika isanandro, indrindra rehefa mamaky ny Baiboly isika. Isika ve mbola vonona hampangina ny ao anatintsika ka hihaino ny feon’Ilay Andriamanitsika ? Ny fotoana omeny antsika etỳ an-tany dia navelany mba hianarantsika hahafantatra ny fitiavany.

Ny Baiboly, izay Teniny, na inona na inona fitaovana iraketana azy, no loharano fanovozana ny tena fahalalana an’Andriamanitra. Maro ireo tranokalam-pifandraisana kristiana manolotra ny tenin’ny Baiboly sy mampahafantatra ny hafatra entiny : ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, izay tokony ho sakafontsika isanandro. Anisan’ireo zavatra tiantsika manokana ve izy ireo ?

Satria nanjary tsy maintsy ilaina amin’ny andavanandron’ny tsirairay ny fampiasana efijery, dia ndao hangataka amin’Andriamanitra ny fahendrena mba hahaizantsika mampiasa azy ireny araka ny tokony ho izy. Izay ho fantatsika momba an’Andriamanitra mandritra ny fiainantsika, dia hisy fiantraikany ho mandrakizay. Aza lalovantsika fotsiny ny tena votoatin-javatra !