Zoma 22 Avrily 2022

(Hoy Jesosy :) Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra ; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy ; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko, ho fiainan’izao tontolo izao. Jaona 6:51

 

Ilay mofon’aina

„Ireo mpitarika fivavahana lehibe dia nanome hafatra, nampianatra foto-pinoana, nampiseho fomba fiaina. Tsy any amin’ny tenan’izy ireo no nasaina itodihana, fa any amin’izay nolazainy.

Hafa kosa Jesosy.

— Tsy vitan’ny hoe nampianatra teny fotsiny Izy, fa Izy mihitsy no Ilay Teny (Jaona 1:1).

— Tsy nilaza ny fahamarinana fotsiny Izy, fa nanambara hoe : „Izaho no fahamarinana” (Jaona 14:6).

— Tsy nanoro lalana fotsiny Izy, fa nilaza marina hoe : „Izaho no làlana” (Jaona 14:6).

— Tsy nampiseho vinavina vaovao Izy, fa niteny hoe : „Izaho no vavahady” (Jaona 10:7).

— Tsy niresaka fotsiny momba ny fitsanganan’ny maty Izy, fa nilaza hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” (Jaona 11:25).

— Tsy manome ny mofon’aina fotsiny Izy, fa Izy mihitsy no ilay „mofo velona nidina avy any an-danitra” (Jaona 6:51).

Noho izany, tsy dia ny manaraka fampianarana iray loatra no atao hoe kristiana, fa ny mifanena amin’i Jesosy.”

(araka an’i Ravi Zacharias)

Efa nifanena tamin’i Jesosy ve ianao ? efa nandray io „mofon’aina” io ho anao, amin’ny alalan’ny finoana fa Izy dia nanefa ny trosanao teo anatrehan’Andriamanitra ary nisolo toerana anao hotsarainy ? Amin’izany no ahazoana ny fiainana mandrakizay. Raha tsy izany dia tsy misy ilanao ny sorona nataony. Fa raha mino an’i Jesosy kosa ianao, dia hanjary tena ilain’ny fanahinao Izy, toy ny sakafo azo tsapain-tànana ilain’ny vatanao.