Alakamisy 21 Avrily 2022

Noho ny habeazan’ny fampahoriana no itarainan’ny olona… Nefa tsy misy manao hoe : Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ny alina… ? Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy). Joba 35:9-12

 

Ilay Andriamanitra fantatro

„Zava-doza mampivarahontsana ! Loza iray indray ! Mampihoron-koditra ! Nefa anie ka ho afaka nanakana izany Ilay Andriamanitrareo lazainareo fa tsara e ! Ary tsy nataony izany, toy ny tsy anaovany mihitsy na inona na inona angatahina aminy…”

Izany dia mahatonga hino fa tsy miraharaha ny loza manjo ny olombelona io Andriamanitra resahinareo io. Ary mbola ratsy kokoa noho izany aza, fa mahafinaritra Azy ny mahita izany. Izay Andriamanitra izay anefa dia… tsy misy ! Ilay Andriamanitra fantatro dia mifanohitra tanteraka amin’izany ! Izy dia naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy, Izay tonga mba hanazava izao tontolo izao amin’ny fitiavana, ny famelan-keloka, ny fampihavanana sy ny fiadanana. Saingy nolavin’izao tontolo izao Izy, Izy sy izay rehetra nentiny ; novonoiny ho faty Izy, Izy Ilay „Tompon’ny aina”.

Manjaka eto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana. Izy no namely tany Jodia, indray andro, fony tsy teo an-toerana Jesosy. Fotoana nampihoron-koditra ! „Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko” : samy niteny izany ireo anabavin’ny maty, raha vao tonga Izy. Amina toejavatra toy izany dia matetika omena tsiny Andriamanitra. Nisy mpiara-monina tonga nampionona azy mirahavavy, niteny hoe : „Moa tsy hain’Ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity ?” Tsy namaly mivantana izany lahakevitra izany Jesosy. Nanambara kosa Izy hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray”. Dia nanampy hoe : „Mino izany va ianao ?” (Jaona 11:21, 37, 25-27).

Isika ve mihevi-tena ho hendry kokoa noho Andriamanitra, ka mihambo hilaza aminy izay tokony hataony ? sa matoky Azy ? Aleo isika misafidy ny hatoky Azy sy miroso am-panantenana sy am-pinoana !