Alarobia 20 Avrily 2022

Fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy. 2 Petera 1:21

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. 2 Timoty 3:16

 

Ny Baiboly

Nivoaka teny amin’ny trano fivarotam-boky ny boky taridalana iray momba ireo toeram-pisakafoana lehibe any Frantsa ; dia io hono no „baibolin’ny fahaizan-tsakafo”, hoy ity mpanao gazety iray. Kitika bokotra kely fotsiny ao amin’ny internet dia ahitana avy hatrany „ny baibolin’ny fanomanam-batana”, „ny baibolin’ireo mpandehandeha malaza”, „ny baibolin’ny fanasana”, sy ny maro hafa koa. Nanjary very hasina io teny io, satria nampiasaina mba hanondroana boky iray tena be tahirin-kevitra, feno tanteraka, manan-danja eo amin’ny sehatra misy azy. Nefa raha atambatra ny isan’ny boky rehetra voatonta, dia mbola lavitra tsy hita avanavana amin’ny isan’ny Baiboly —soratana manomboka amin’ny „B” sorabaventy- voatonta ; nanomboka tamin’ny taona 1455, tamin’i Gutenberg namorona ny printy, dia arivo tapitrisa maromaro any ho any ny isan’ny Baiboly voazara eto amin’izao tontolo izao.

Raha ny marina, ny Baiboly dia fitambarana boky 66 nosoratana mpanoratra samihafa miisa efapolo eo ho eo, samy nahazo tsindrimandry mivantana avy amin’Andriamanitra, tao anatina vanimpotoana naharitra taonjato 16 eo ho eo. Tsy boky-na tantara na siansa izy, tsy manome fahafaham-po antsika liana mba hahafantatra eo amin’ny sehatra rehetra, fa milaza amintsika kosa izay rehetra tokony ho fantatsika momba an’Andriamanitra, ary momba ny olona sy ny hiafarany. Lazalazainy ny tena toetran’ny olombelona, mandà an’Andriamanitra, ary mifanohitra amin’izany, asongadiny ny fitiavan’Andriamanitra ny voariny. Ny mpandray anjara fototra, ivon’ny Baiboly, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga tetỳ an-tany mba hanolotra ny ainy ho famonjena izao tontolo izao.

Na mahaliana toy inona aza ireo boky voatanisa etsy ambony, dia samy takon’ilay Boky napetrak’Andriamanitra ho antsika. Koa raha boky iray ihany no tokony hovakina, dia ho io !