Talata 19 Avrily 2022

Raha misy olona manao hoe : Miadana sy mandry feizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana… Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. 1 Tesaloniana 5:3, 9

 

Ny vanimpotoana mahafinaritra

Indraindray ny fiarahamonina tandrefana dia mihambo ho nahaorina tontolo tsaratsara kokoa, afaka sy malala-tanana, tao anatin’ny am-polon-taonany vitsivitsy. Izany tokoa ve ? Raha ny marina, ny vaninandro ankehitriny dia tsy nanova na inona na inona amin’ny olana mahazo ny olombelona : rehefa nifarana ny ady lehibe faharoa, dia an-jatony ny fifandonana mitam-basy, nitarika fahafatesan’olona am-polon-tapitrisany. Ary olona an-tapitrisany maro koa no maty isan-taona noho ny hanoanana, olona maro tsy hita isa no tsy afaka misitraka rano azo sotroina, na saiky tsy manana na inona na inona hahafahana mivelona.

Ary inona no holazaina momba ireo olana eo amin’ny fiarahamonina, ny aretina, ny loza manjo ny tsirairay na ny ankohonana… Ho azo resahina ihany koa ny fitombon’ny raharaha momba ny fanolanana zaza, ny zava-mahamenatra ara-pôlitika sy ara-bola, ny fanandevozan’ny dokambarotra sy ny haino aman-jery.

Mba ho tonga haingana anie ilay tontolo anjakan’ny fiadanana sy fahamarinana hapetrak’Andriamanitra, indray andro any ! Ary eo am-piandrasana izany, enga indrindra anie Izy hanjaka ao anatin’ny fon’ny olona tsirairay sy ny ankohonana tsirairay ! Aoka isika hiaiky fa tompon’andraikitra amin’ny ratsy sy ny tsy fahamarinana manodidina, eo amin’izay tandrify antsika avy. Eo amin’ny hazofijaliana no ahitantsika ny valiny avy amin’Andriamanitra, Izay nanome ny Zanany noho ny fitiavany antsika. Raha mba mampiditra Azy eo amin’ny fiainantsika mantsy isika tsirairay, tsy hoe mba hanova izao tontolo izao, fa mba hitodika any amin’ny hazofijalian’i Kristy, ka handray ny famelana ny fahotantsika, ny fiadanana, ny fifaliana, ary ny hery !

Ahitana tombony ny mamaky ny Baiboly, mba hahalalana bebe kokoa momba izany. Sy ny mino izany !