Alatsinainy 18 Avrily 2022

Simona Petera… niditra tao am-pasana (fasan’i Jesosy) ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo, ary ny mosara izay nafehy ny lohany, tsy mba nipetraka teo amin’ny lambam-paty, fa voavalona mitokana. Ary tamin’izay dia niditra koa ilay mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Jaona 20:6-8

 

Nahita ka nino

Ny maraina nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia nihazakazaka nankany amin’ny fasana nametrahana ny fatin’i Jesosy ny apostoly Jaona, satria nilaza tamin’ny mpianatra i Maria fa foana ny fasana. Niditra tao am-pasana i Petera sy Jaona. Hitan’i Petera ny lamba navela teo amin’ny tany sy ny lambam-paty voavalona mitokana, dia hitan’i Jaona ihany koa, avy eo.

Mba hanazavana amin’ny ankizy ny fitsanganana amin’ny maty, dia matetika alaina ho ohatra ny samoina tsy mihetsika, izay miova ho lolo ka lasa manidina. Rehefa mahita ny akorany tsy misy na inona na inona intsony, dia mahafantatra fa efa lasa nisidina ilay lolo.

Ny lamba sy ny lambam-paty nipetraka toy izany dia mampiseho fa nitsangana tamin’ny maty Jesosy. Io seho tsotra io dia fenon’ny voninahitr’Andriamanitra. Ho an’i Jaona dia tena nitsangana tamin’ny maty tokoa Jesosy. „Nahita ka nino” izy, talohan’ny nifanenany indray tamin’i Jesosy velona. Tatỳ aoriana dia niara-nahita an’i Jesosy tamin’ireo mpianatra hafa izy, ka nanjary iray tamin’ireo vavolombelona maro nanambara ny nitsanganan’i Kristy ho velona indray.

Isika mpamaky amin’izao taonjato faha-21 izao dia tsy afaka hamerina indray izay niainan’i Jaona, nefa kosa afaka mino ny fijoroany ho vavolombelona, mba hahazo ny fiainana mandrakizay. Izany no antony nanoratan’i Jaona ny filazantsarany : „Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20:31). Ary ny faran’ny filazantsara dia manantitra ny maha marina ny fanambarany : „Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany ; ary fantatsika fa marina ny fanambarany” (Jaona 21:24).