Alahady 17 Avrily 2022

… Paskan’i Jehovah. Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo, ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah ; hatramin’ny taranakareo faramandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna mandrakizay. Eksodosy 12:11-14

Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo, mandra-piaviny. 1 Korintiana 11:26

 

Fanambarana, fampahatsahivana

Inona no ifandraisan’ireo andalan-tSoratra Masina nomena antsika androany ireo ?

— Ny voalohany dia miresaka ny Paska, iray amin’ireo fety jiosy lehibe indrindra. Ndao hotsahivina ny zava-nisy. Tsy nanaiky hanafaka ny Zanak’Israely ny Farao, hany ka farany dia nandefasan’Andriamanitra famaizana mampivarahontsana. Nisy anjely nitety ny tany Egypta, ka nandripaka ny lahimatoan’ny isam-pianakaviana. Ireo ankohonana israelita kosa dia nomen’Andriamanitra fomba tsy hiharan’io famaizana io amin’izy ireo : mamono zanak’ondry tsy misy kilema ary mamafy ny rany eo amin’ny tolam-baravarana fidirana. Tsy namely io trano io ilay anjely rehefa nahita ny ra, satria io ra io dia nanambara mialoha elabe ny ran’i Jesosy ho latsaka eo amin’ny hazofijaliana, ho famonjena ny mpanota. Taorianan’izany dia nilavo lefona ny Farao, ka nandefa ny Zanak’Israely. Nasain’Andriamanitra mankalaza isan-taona izany fanafahana izany ny vahoaka Israely.

— Ny faharoa dia miresaka momba ny Fanasan’ny Tompo, ilay sakafo niarahan’i Jesosy Kristy nihinana tamin’ireo akaiky Azy, taloha kelin’ny hahafatesany. Afaka ora vitsy Izy dia hohomboana eo amin’ny hazofijaliana ary hanolotra ny ainy (ny rany), mba ho afaka amin’ny fahotany sy ny fanandevozan’ny devoly ireo rehetra hino Azy. Nandritra ny sakafo dia nolazain’ny Tompo tamin’ny mpianany ny faniriany hahatsiarovan’izy ireo Azy sy hampaharetan’izy ireo ny fahatsiarovana ny fahafatesany, amin’ny fifampizaran’izy ireo mofo iray sy kapoakan-divay iray.

Araka izany dia mifandray ny Paska sy ny Fanasan’ny Tompo : ny voalohany, manambara ny fahafatesan’i Jesosy ; ary ny faharoa, mampahatsiahy izany. Asehon’ireo fanambarana sy fampahatsahivana ireo antsika, hoe hatraiza ny maha ivon’ny tantaran’ny zanak’olombelona ny sorona nataon’i Jesosy !