Asabotsy 16 Avrily 2022

Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe : Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao ? dia holazainareo hoe : Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Israely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Eksodosy 12:26, 27

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Ny tranainy sy ny vaovao

Ao amin’ny Baiboly, ny boky antsoina hoe „Eksodosy” dia mitantara ny namoahan’Andriamanitra avy tany Egypta ny Zanak’Israely, izay nandevozin’ny Farao tamin’izany fotoana izany, sy ny nitarihany azy namakivaky ny taniefitra, ho amin’ny fahafahana. Rehefa tonga tany amin’ny tany nampanantenaina ny Israelita, afaka efapolo taona nandehanana, dia nanolotra ho an’Andriamanitra ny voaloham-bokatr’izy ireo. Tsaroan’izy ireo ny naha andevo ny razany sy ny fomba nanafahana azy ireo : „Dia nitaraina tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy” (Deoteronomia 26:7). Raha ny tena marina, dia antsoantson’ny razany izany, nefa antsoantson’izy ireo koa.

Tatỳ aoriana ny Israelita dia tsy maintsy namerina namaky ny tantaran’ny fivoahany avy tany Egypta, ny harivan’ny Paska, rehefa mankalaza io fety io (jereo ny andinin-tSoratra Masina androany). Mampahatsiahy azy ireo izany fa izy ireo no nafahana tamin’izany. Ny mahatsiaro izany dia midika fa manome voninahitra an’Andriamanitra, nefa koa miantehitra aminy ho an’ny hoavy. Andriamanitra dia mitoetra ho Ilay Andriamanitry ny fanafahana.

Marina ihany koa izany momba ny fampianaran’i Jesosy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mba hisorohana ny fanadinoana sy ny tsy firaharahana, dia tsy maintsy ampitaina amin’ny taranaka mandimby io fampianarana io, mba hahitan’ny tsirairay fa ho azy koa no nahatongavan’i Jesosy, sy niaretany ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, ary nitsanganany ho velona indray. Hoy ny apostoly Paoly : „Ny Zanak’Andriamanitra efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy”. Ny fandraisana io teny io ho an’ny tena, izany no atao hoe finoana.