Zoma 15 Avrily 2022

Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy. Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitanany volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe : Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy ! Matio 27:28, 29

 

Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka

Ireo miaramila romana voatendry hanombo an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia tsy nianina tamin’izany fotsiny. Fantatr’izy ireo Jesosy fa nilaza ny tenany ho Mpanjakan’ny Jiosy, koa nohararaotin’izy ireo izany, hanaovana fampisehoana maharikoriko hanarabiana Azy, hanesoana ny maha Mpanjaka Azy. Tsy tehim-piandrianana, mariky ny fahefana, no nampitazoniny Azy, fa volotara, mitory fahalemena. Nandrandrana satroka tsilo, nandratra ny handriny, izy ireo. Ary nampitafiny lamba jaky Izy, fitafiana miaramila angamba, miloko jaky mampahatsiahy ny loko volomparasy, lokon’ny mpanjaka. Fanalam-baraka tsy misy ohatra izany !

Nefa tsy io sary mahamenatra io tsy akory no hahitan’izao tontolo izao farany Ilay Mpanjaka lehibe. Ambaran’ny bokin’ny Apokalypsy fa hiverina am-boninahitra Jesosy. „Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy ; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina… ary tamin’ny lohany nisy diadema maro… Ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy… Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy, nanao hoe : MPANJAKAN’NY MPANJAKA SY TOMPON’NY TOMPO” (Apokalypsy 19:11-16). Fiovana tanteraka tokoa ! Satria „ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza” (Apokalypsy 1:7). Ary ny rehetra, „na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany”, na dia tsy nila Azy aza, dia tsy maintsy handohalika eo anatrehan’i Jesosy. Tsy maintsy hanaiky ny rehetra fa Izy „no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray” (Filipiana 2:10, 11).