Alakamisy 14 Avrily 2022

Nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe : Tompoko ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe : Mety Aho ; madiova ianao. Dia nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy. Matio 8:2, 3

 

Raha mety Ianao, dia mahay

Ao amin’ireo filazantsara efatra dia hitantsika Jesosy tsy sasatra ny mandeha eny an-dalambe, mitory ny „Vaovao mahafaly” sy manao soa amin’ny olona rehetra. Tsy ny hiteny amin’ny mpiray firenena aminy fotsiny ihany no nahatongavany, fa ny hanafaka ihany koa sy hanamaivana ny fijaliana. Fomba mahagaga no nanasitranany marary, ary nasehony tamin’izany fa Izy tokoa no Ilay Mpamonjy efa nandrasana fatratra.

Ny fahagagana voalohany tantarain’ny evanjelista Matio dia ny fanasitranana boka iray. Io aretina io, izay natahorana mafy satria tsy hay sitranina tamin’izany fotoana izany, dia mampahatsiaro ilay aretina mahafaty koa, izay mahazo ny olombelona rehetra noho izy ireo tsy manaiky ny sitrapon’Andriamanitra. Nefa ny hanafaka ny olona amin’io aretina hoe ota io no nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany !

Jereo Izy manaiky hohatonin’ilay boka, izay natao hoe maloto, nefa maniry fahasitranana : „Raha mety Ianao, dia mahay”… Ny finoana dia tsy mba diso fanantenana, na oviana na oviana. Te hanasitrana azy Jesosy. Maninjitra ny tanany Jesosy ary mikasika azy. Teo no ho eo ihany dia sitrana tamin’ny habokany ilay lehilahy.

Fantatr’ity lehilahy ity fa nanana olana goavana izy. Toa azy koa, amin’izao fotoana izao, dia maro ny mahalala, na dia tsy te hiaiky amin’ny tenany aza angamba, fa tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra, Izay nolaviny na nodiany tsy fantatra. Mety ho izany angamba ianao ? Andriamanitra anefa dia tsy Ilay Mpitsara tsy azo ivalozana, ka hoe tokony hatahorana ny manatona Azy. Mifanohitra amin’izany aza, fa tia anao Izy, ary te hanasitrana anao amin’io areti-mandoza io, dia ny ota, izay mitondra ho amin’ny fahafatesana mandrakizay !

Na oviana na oviana, Andriamanitra tsy mandà tsy hihaino izay mangataka famelan-keloka aminy sy manaiky ny fanasitranana atolotr’i Jesosy Kristy.