Alarobia 13 Avrily 2022

Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy ; mankahalà ny ratsy ; mifikira amin’ny tsara. Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy ; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo. Romana 12:9-11

 

Manompo ny Tompo

Fanomezana mahatalanjona ny manompo ny Tompo, Ny manao izany amin’ny zotom-po feno sy tsy an-kivadika ; Izay atao ho an’i Kristy dia handraisana valim-pitia, Izay atao amin’ny fo.

 

Ny hoe manompo Azy, dia ny mandeha toy ny nandehanany, Isaky ny mandingana dia eo amin’ny dian-tongony, Miala amin’ny ratsy ary mikatsaka ny tsara, Manahaka ny hatsaram-pony mandrakariva.

 

Ny hoe manompo Azy dia ny mamoy koa ny izaho ; Ny manolo-tena ho an’ny hafa am-panetrentena, Vitsy teny, nefa tsara fiasa, ary miasa mandrakariva, Maneho ny finoany amin’ny alalan’ny asa.

 

Ny hoe manompo Azy dia ny manambara ny famelany heloka ihany koa, Sy ny milaza ampahibemaso amin’ny rehetra fa ny Tompo Jesosy Dia mahay manova ny fiainan’ireo izay very, Manova izany amin’ny finoana tsotra fotsiny ny anarany.

 

Ny satroboninahitra dia ampanantenaina ny mpino Nanokana ny fiainany mba hanompoany ny Tompony. Ary dieny etỳ an-tany izy dia efa misitraka Ny hatsaram-pony, eo am-piandrasana Azy.
(namboarina avy tamin’ny teny alemana)

„Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny ; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo” (Kolosiana 3:23, 24).