Talata 12 Avrily 2022

(Hoy Jesosy :) Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:5

Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa. Jaona 15:16

 

Raha misaraka amiko ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona

Tsara vakina : Jaona 15:1-16

Izany no nambaran’i Jesosy. Tsy nilaza Izy hoe : „Tsy mahay manao zavatra firy ianareo”, fa hoe : „Tsy mahay manao na inona na inona”. Ny zava-tsara rehetra vitan’ny mpino dia avy amin’Andriamanitra, ary avy aminy irery ihany. Tokony hanaiky izany fahamarinana izany isika, ary ho tonga saina fa iantefan’ny fahasoavany.

Raha tsy mandray am-pahatsorana io tenin’ny Tompo io isika, dia ho voatery Izy hamela zava-tsarotra hitranga, mba haharesy lahatra antsika fa tsy mahay manao zavatra tsara amin’ny herintsika samirery isika. Rehefa naharay io lesona io isika, vao afaka miasa amin’ny alalantsika ny Tompo, noho ny fahasoavany. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy hanery antsika hiasa mafy tsy akory, na hanao asa mety heverintsika ho tsara. Fa ny hataon’Andriamanitra kosa dia ny hampianatra antsika hanana toe-tsaina sy toe-po ahafahany miasa ao anatintsika sy amin’ny alalantsika. Nefa malemy isika, ka omen’i Jesosy antsika ny fanalahidy handraisana ny hery sy ny fahendrena ilaintsika. „Mitomoera amiko”, hoy Izy amintsika. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe : ndao hikolokolo ny fifamatorantsika aminy, amin’ny famakiana ny Teniny. Ndao hitoetra mikambana aminy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, amin’ireo eritreritsika, sentontsika, vavaka ataontsika, fiderantsika. Amin’izany ihany no hahafahantsika mamoa, „mamoa be”, ary izany vokatra izany dia haharitra hatrany amin’ny mandrakizay.