Alatsinainy 11 Avrily 2022

(Hoy Jesosy :) Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra ; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany. Lioka 6:40

Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 15:11

 

Ireo „Sambatra”, filazalazana an’i Jesosy (10)

Ireo „Sambatra” dia milazalaza an’i Jesosy, hany ka arakaraka ny hisian’izy ireo eo amin’ny fiainana maha kristiana antsika, no hamelantsika ho hita ny maha Izy Azy an’i Kristy. Teto an-tany Jesosy dia tsy mba nanana izay hametrahany ny lohany (Matio 8:20), niaina tao anaty fahantrana Izy (2 Korintiana 8:9). „Malemy fanahy sady tsy miavona am-po” Izy (Matio 11:29). Jesosy no Ilay tena Mpampihavana, satria „ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20). Nambaniana Izy, nenjehina, Lehilahy zatra ny fahoriana (Isaia 53:3). Izy koa anefa dia nanana fifaliana feno, izay nampitainy tamin’ny mpianany (Jaona 15:11).

Mba hiainantsika ireo „Sambatra”, dia tsy maintsy mino an’i Jesosy aloha isika. Amin’izay isika dia ho afaka manaiky am-pifaliana fa ireo teniny no tetikasan’Andriamanitra ho an’ny fiainantsika, tari-dalana atoro antsika, fampanantenana atao amintsika. Afaka handre ireo „Sambatra” ireo isika, nefa tsy ho kivy amin’ny zava-takiany, fa handray izany ho fiantsoana antsika hiroso eo amin’ny lalana nosokafan’i Jesosy.

„Ampianaro izahay, ry Tompo, hiaina araka ireo „Sambatra” ireo… Ampianaro amin’ny alalan’ireo izahay hanavaka ny zavatra fototra amin’ny zavatra ambinambiny, ny zava-dehibe amin’ny tsinontsinona, ny maharitra mandrakizay amin’ny zava-mandalo, ary ny tena fototra amin’ny ambin-javatra. Afaho amin’ny tahotra rehetra izahay : tahotra ny ho voafitaka, tahotra ny ho very tombontsoa, tahotra ny tsy hanana ny ampy, tahotra ny hijaly. Dia ho afaka hifototra tanteraka amin’ireo „Sambatra” izahay, ka hiditra ao amin’ny Fanjakanao, dia Ilay Fanjakan’ny Fitiavana” (Gilbert Cesbron).

(farany)