Alahady 10 Avrily 2022

Ary Andriamanitra nanao hoe : Misia mazava ; dia nisy mazava. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava ; ary nampisarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe ’’andro’ ; ary ny maizina nataony hoe ’’alina’. Dia nisy hariva, ary nisy maraina —andro voalohany izany. Genesisy 1:3-5

 

Andriamanitra sy ny fahariana

Niteny tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany Andriamanitra hoe : „Hampitovinareo amin’iza moa Aho, sy amin’iza no hanoharanareo Ahy, ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy, mba hitahany amiko ?” (46:5). Misy dikany ve ny manohatra an’Andriamanitra amin’ny zavatra noarìny ? Tena izany mihitsy, mba hampisongadina ny fahalehibeazany sy ny maha ambony indrindra Azy.

Andriamanitra dia nahary ny zavatra rehetra avy amin’ny tsy misy. Ny olona dia mahavita manao sy mamorona ary manamboatra zavatra maro, saingy avy amina akora efa misy fotsiny ihany. Mila loko sy tapa-damba izy, handokoany. Raha hanorina trano izy dia mila mari-drafitra, biriky, rihitra simenitra. Ny mamokatra, na ny zavatra faran’izay tsotra indrindra aza, dia mety hilàna fahaizana sy traikefa avy amin’olona maromaro.

Andriamanitra dia tena Tsitoha. Andriamanitra dia mahalala ny zavatra rehetra. Tsy misy fetra ny fahalalany sy ny fahiratan-tsainy. Tsy misy olona afaka manohatra ny tenany amin’Ilay Andriamanitra manana fahefana hamorona avy amin’ny tsy misy, Andriamanitra eo amin’ny toerana rehetra amin’ny fotoana rehetra, ka mahay mametraka ny zavatra noforoniny eo amin’izay toerana fidiny hasiana azy. Tokana Andriamanitra, ary tsy refesi-mandidy.

Ao amin’ny Genesisy toko voalohany no itantaran’ny Baiboly ny asa fahariana. Hita ao fa Andriamanitra dia nandidy tsotra fotsiny ny hisian’izao tontolo rehetra izao sy izay rehetra ao aminy ! Sarotra heverina ny hahafahan’olona iray manonona teny vitsivitsy mba hampisy zavatra iray. Mbola sarotra kokoa ny maminavina olona afaka mandidy ny hisian’izao tontolo rehetra izao amin’ny alalana teny tsotra fotsiny. Nefa dia nataon’Andriamanitra izany ! Mihoatra noho izany aza, te haneho ny tenany amintsika voariny Izy.

Tsy hahazoana tombony ve ny mahafantatra io Andriamanitra lehibe aoka izany io ?