Asabotsy 9 Avrily 2022

Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. Hebreo 9:27

Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao (Jehovah) no amiko. Salamo 23:4

 

Izao no farany

Mananontanona ny fahafatesana, akaiky dia akaiky. Tsy dia noheverina loatra izany talohan’izao, afa-tsy amina fotoana fohy angaha, andevenana olon-kafa. Fa raha ny eritreritra kosa hoe mety ho tonga ny anjarantsika, dia nasitrika haingana any amin’ny lavitra indrindra, ao an-tsaintsika ao. Satria tsy maintsy ekena fa mampatahotra ny fahafatesana, io fitsambikinana any amin’ny tsy fantatra io…

Omaly dia nazava tsara ny nambaran’ny mpitsabo momba ny hiafarako, na dia somary sadaikatra aza izy, tsy te hamaritra fe-potoana. Nohamafisiny ny zavatra tsapako ato anaty, taorianan’ny volana maro nitolomako tamin’ny aretina. Ary tsy ilaina akory aza ny filazan’ny mpitsabo, fa ny fijerin’ireo havana akaiky mihetsi-po, fijery ahitana fangorahana miharo fanekena ny lahatra, dia ampy ahatakarana hoe izao no farany.

Izao hoe no farany ?

Tsia, alohan’ny hidirako ao anatina torimaso tsy azo ialàna, dia misy fanapahan-kevitra tsy maintsy raisiko. Nanilika an’Andriamanitra mandrakariva aho hatramin’izay, niaina ny fiainako tsy niraharaha Azy, satria amiko ny fivavahana dia tsy inona fa faneriterena tsy misy fotony, fanamboaran-tsaina natao hanamelohana ny olona fotsiny… ; noho izany rehetra izany aho dia afaka misafidy ny tsy hanao na inona na inona, ka hiatrika samirery ny fahafatesana, sy izay ho tohiny. Nefa afaka miova hevitra ihany koa aho ary mitodika amin’i Jesosy, mangataka aminy hiaraka amiko ato amin’izao dingana farany izao.

Anio aho dia tsy menatra intsony hampirina ny hambompoko, mba hiteny amin’i Jesosy hoe : „Nandritra ny fiainako aho dia tsy nila Anao, rariny raha havelanao ho irery aho ; nefa ankehitriny aho dia matahotra, ary mila Anao… Mamela heloka Ianao, fantatro izany, horaisinao amin’ny tananao aho ka ho entinao any an-danitrao.”