Zoma 8 Avrily 2022

Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy (ny mpianatr’i Jesosy) ka tsy reraka. Lioka 18:1

Fa azo antenaina ny hazo, satria, na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony ; na dia efa tonga antitra ao amin’ny tany aza ny fàkany, … raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray, ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena. Joba 14:7-9

 

Mivavaka mandrakariva ka tsy reraka

„Ny reniko dia nanjary kristiana fony aho mbola zaza, ary izaho koa dia nandray an’i Jesosy teo amin’ny fiainako, rehefa sivy taona. Tatỳ aoriana, nanjary tovovavy aho, ireo mpiara-mianatra tamiko dia nanana sakaiza, ka mba te hanao toa azy ireo koa aho. Tsy nandry ny eritreritro, satria fantatro fa tsy tsara izany, amin’Andriamanitra. Te hanao izay mahafaly Azy aho, nefa nalaim-panahy hanao izay rehetra nataon’ny namako. Niresaka ireo olana mianjady amiko tamina namana kristiana aho, ary namaky andalan-tSoratra maromaro ao amin’ny Baiboly, momba io lohahevitra io. Nivavaka tamin’ny Tompo aho, dia nanafaka ahy tamin’ny fakam-panahy Izy.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana dia nilaza tamiko ny reniko fa tsy te hanaraka an’Andriamanitra intsony. Tena nalahelo aho, ka nandohalika nangataka tamin’ny Tompo mba hamahany izany olana izany. Nivavaka tamin-dranomaso aho, ary nitalaho taminy mba hamaly ahy, mba hampahery ahy. Nosokafako ny Baiboliko, ka ny teny ao amin’i Joba etsy ambony amin’ity takelaka ity no tojo ahy. Io indrindra no valim-bavaka ho ahy. Takatro fa raha manaraka ny Tompo aho, sady matoky ny herin’ny Fanahy Masina (ny fanakekezana rano), dia mbola mety hisy fanantenana ho azy, toy ny ho an’ilay hazo.

Nanohy nivavaka ho an’ny reniko aho. Fantatro fa tokony hatoky ny Tompo fotsiny aho. Nomeny fiadanana aho, na dia tsy mora tamiko aza izany vanimpotoana izany. Namaly vavaka ny Tompo : niverina taminy i neny, herintaona sy tapany tatỳ aoriana. Amin’izao fotoana izao izy dia misionera any Italia, araka izay niriny hatrizay hatrizay teo amin’ny fiainany. Mba tiako hampaherezina ianareo, ry kristiana namana, hivavaka ka tsy ho reraka, ho an’ireo olona akaiky anareo. Hamaly vavaka anareo ny Tompo.”

Claudia