Alakamisy 7 Avrily 2022

Rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe : Mpanompo tsy mahasoa izahay ; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay. Lioka 17:10

Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao… ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. Matio 25:21

 

Tsy mahasoa, nefa mahatoky

Ao amin’ireo andininy roa ao amin’ny filazantsara ireo, dia resahin’i Jesosy ny fifandraisan’ny tompo sy mpanompo, zava-nisy nahazatra tamin’izany fotoana izany. Ny mpanompo dia tena manompo tanteraka ny tompony, koa tsy nanan-trosa tamin’ny asa nataony ny tompony. Rehefa nahavita izay rehetra nampanaovin’ny tompony azy izy, dia tsy nanao afa-tsy ny adidiny, ary tsy nanana antony tokony hireharehana amin’izany…

Taomin’i Jesosy ny mpianany hanompo amina toe-tsaina mahatonga azy ireo hiteny hoe : „Mpanompo tsy mahasoa izahay…” Aoka homarihintsika fa tsy ny tompo tsy akory no miteny amin’ny mpanompo hoe tsy mahasoa izy, fa ilay mpanompo no milaza izany ; ary samy hafa tanteraka izany !

Ry kristiana, Jesosy Kristy no Mpamonjintsika, ka noho izany dia ara-drariny koa raha Tompontsika sy Mpampianatra antsika Izy (Jaona 13:13). Ny apostoly Paoly, i Petera, ary koa i Jakoba rahalahin’i Jesosy, dia tia nilaza ny tenany hoe „mpanompon’i Jesosy Kristy” (Romana 1 ; 2 Petera 1 ; Jakoba 1). Jaona Mpanao batisa dia nihevitra ny tenany ho tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapan’i Jesosy akory (Marka 1:7). Tena voninahitra sy fahasambarana ny hoe manompo ny Tompo, ary tsara raha atao am-panetrentena.

Na dia mendrika ny hankatoavina sy hotompoina tokoa aza mantsy Jesosy Kristy, dia Tompo tsara Izy, tsara tsy hay ambara amina teny, ary mankasitraka ny fandavantenan’ireo mpanompony sy ny toetran’izy ireo mahatoky. Tsy ho hadinon’ny Tompo ny mampahery sy ny mamaly fitia ny mpanompo mahatoky. Izany anefa dia tsy arakaraka ny halehiben’ny asa natao, fa arakaraka ny toetra mahatoky nanatanterahana io asa io.

Amin’ny fotoana hanomezany valim-pitia, any an-danitra, dia Izy mihitsy no hampipetraka ireo mpanompony, hihinana, sy „ho avy ka hanompo azy” (Lioka 12:37).