Alarobia 6 Avrily 2022

(Nanoratra ny apostoly Paoly hoe :)… Iaretako fahoriana hatramin’ny fatorana aza, ohatra ny mpanao ratsy ; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. 2 Timoty 2:9

Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ny jentilisa rehetra izany. 2 Timoty 4:17

 

Ny fiarahany tamiko tany am-pigadrana

„Vetivety foana isika dia mety ho tsy hisy hahatakatra sy ho irery ! Mahatsiaro ho manirery isika rehefa nilaozan’olon-tiana. Mahatsiaro ho irery isika rehefa hadino, na atao tsinontsinona, na voailika mihitsy aza. Fa ny Tompo Jesosy kosa dia mitaona antsika hanatona Azy. Ary indrindra, Izy no manatona antsika. Nandritra ny fotoana nigadrako noho ny maha kristiana ahy, dia mbola tsy nisy toy izany mihitsy ny fahatsapako ny fijoroan’i Jesosy teo anilako. Rehefa niha navesatra tamiko ny naha irery ahy, dia nanomboka niresaka tamin’ny Tompoko aho. Tao anatin’ireo rindrina matevina, nanapaka izay rehetra mety ho fifandraisako amin’ny hafa, no tena niainako ny hoe tsy misy na inona na inona hahasaraka ahy amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Takatro koa fa navelan’Andriamanitra ho any am-ponja aho, mba ho afaka mampita ny Filazantsara amin’ireo izay mbola tsy nandre izany mihitsy. Nataon’Andriamanitra nisandratra tany ambonin’ny fahoriako aho, mba hiresahako momba an’i Jesosy amin’ireo voafonja hafa. Tao anatin’ny herintaona, dia dimy amby roapolo tamin’izy ireo no nandray an’i Kristy ho Mpamonjiny. „Ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.” Mahery izy io, ary manome fahafahana mihitsy ho an’ny fanahintsika aza, ao anatin’ireo fotoana mampitondra fijaliana sy maha gadra. Nailiky ny fiarahamonina isika, amin’ny fijerin’ny olona, fa masoivohon’ny lanitra kosa, amin’Andriamanitra.

Sokafy ny masonay, ry Tompo, hahafahanay mahita ny zavatra toy ny fahitanao azy.”

(Vehivavy kristiana iray any Mozambika)