Talata 5 Avrily 2022

Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hahavokaran’ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko. Filipiana 1:21, 22

Efa mby akaiky ny andro fialàko. Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho. 2 Timoty 4:6, 7

 

Ny andro fialàko

Ny apostoly Paoly dia indroa nigadra tany Roma. Tamin’izany izy dia niandry ny fitsaran’ny amperora hatrany, ary nanana fahatoniana sy niasa ho an’ny Tompony hatrany. Nambarany tamin’ireo izay nifanena taminy ny Tompo, ary nanoratra taratasy izy ho an’ireo fiangonana isan-toerana. Saingy nisy fahasamihafana teo amin’ireo figadrana roa ireo : tamin’ny voalohany dia fantatry ny apostoly fa hahazo fahafahana izy, fa tamin’ny faharoa kosa dia takany fa akaiky ny hialany amin’izao tontolo izao. Dia voaheloka tokoa izy, ary namoy ny ainy ho an’i Kristy.

Ahoana no nahafantaran’ny apostoly izany, talohan’ny hitsaran’ny amperora azy ? Tsiambaratelon’izy sy ny Tompony izany.

Tamin’ny figadrany voalohany izy dia vonona ho faty, sady vonona ihany koa hijanona mba hanompo ny Tompo. Nefa rehefa nieritreritra ireo mpino tao Filipy, izay nila azy, izy, dia nahatakatra fa hafahana. Hoy izy : „Fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho, hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo” (Filipiana 1:25).

Tamin’ny figadrany faharoa dia nahakivy ny zava-mitranga, satria nahatsiaro tena ho irery ny apostoly. Nefa nitoetra ho hentitra sy matoky izy, satria resy lahatra fa ny toejavatra iainany dia eo an-tanana faran’izay tsara : eo an-tanan’i Jesosy Kristy. Nahafantatra izy fa ho faty, nefa dia nijery lavitra kokoa, nijery ambony kokoa ! Nanoratra izy hoe ny Tompo dia hitahiry azy „ho any amin’ny fanjakany any an-danitra” : vonona izy handao ity tontolo ity am-pandresena, ary namarana ny taratasiny tamin’ny fiderana : „Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena” (2 Timoty 4:18).