Alatsinainy 4 Avrily 2022

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana ; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Matio 5:10

Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy ; fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. 1 Petera 4:14

 

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana (9)

Anaty fihetseham-po isika, mandre ity „Sambatra” farany ity : „Sambatra izay enjehina”. Kristiana firifiry tokoa moa no mijaly ankehitriny noho ny fahamarinana, noho ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra, tsy fivadihany amin’ny sitrapony ? Aoka isika tsy hanadino azy ireny, rehefa mivavaka. Ny ohatra asehony dia mampahery antsika hiala amin’ny tahotra ka hijoro ho vavolombelon’i Kristy. Indraindray mantsy isika dia alaim-panahy hametra ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra amin’izay toa mendrika ara-piarahamonina, noho ny tahotra ny fanesoana, na ny fanenjehana mihitsy aza. Fa Jesosy kosa dia miantso antsika ho sahy sy hanaiky mazava ao an-tsaina ny loza mety ho vokatr’izany. Tsy izay „manafina ny fanevany” tsy akory no sambatra, fa izay manana fahalalahana handroso hatramin’ny farany, manara-dia an’i Kristy.

Ny toetra tsara voasoritsoritra ao amin’ireo „Sambatra” fito voalohany : fanetrentena, fahamatorana, fahalemem-panahy, fahadiovam-po, hetahetam-pahamarinana, famindrampo, faniriana fihavanana… dia tokony hahatonga ho maha te ho tia. Nefa dia izany indrindra no nanilihana ireo mpianatr’i Jesosy, noho izy ireo nitovy tamin’ny Mpampianatra azy. „Efa hitany sady efa hàlany Aho sy ny Raiko koa” ; „Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”, hoy Jesosy tamin’ny mpianany (Jaona 15:24, 20).

Ny faharetan’izy ireo tao anatin’ny fizahan-toetra dia vokatry ny fanantenana namelombelona azy ireo. Nifaly izy ireo, satria nomena izany fahafahana sy herim-po izany. Efa azy sahady ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fifaliany tao anatin’ny fitsapana dia marika ihany koa fa mipetraka ao aminy ny Fanahin’Andriamanitra (andininy androany). Avy amin’ny Fanahy Masina tokoa mantsy ny faharipo, herimpo ary fifaliana.