Alahady 3 Avrily 2022

Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy, tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

 

Teo am-pototry ny hazofijaliana

„Raiko ô (hoy Jesosy nivavaka teo amin’ny hazofijaliana), mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).

Fa iza moa ireo olona nanameloka Azy sy nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana ireo ?

Tena samy hafa avokoa izy ireo : ny mpivavaka teo amin’ny vahoaka jiosy, nefa koa ny mpanjana-tany romana tany Palestina fahizany, mpanankarena sy mahantra, ny vahoaka nanaraka sy nihaino Azy nandritra ny telo taona mahery, mpandalo tsotra, ny miaramila nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana…

Ireo antokon’olona ireo dia samy mbola kisarisarin’ny olona amin’izao fotoana izao. Nanoloana ny hazofijalian’i Jesosy, dia nisy ny mpitondra fivavahana tamin’izany andro izany, izay tsy nila Azy satria Izy tsy niditra tao amin’ny rafitra ara-pivavahana napetrak’izy ireo. Nisy koa ny mpanao pôlitika : Pilato, ilay governora romana, dia nanaiky hanameloka Azy, mba hahafaly ny vahoaka niantsoantso hoe : „Homboy amin’ny hazofijaliana Izy !” Fantany anefa fa tsy nanan-tsiny Jesosy ; saingy raha mamotsotra Azy izy, dia handà ny fitakian’ny vahoaka, ka hanohintonina loatra ny filaminany… Ary iza moa no nandrafitra io vahoaka io ? Aiy ! olona tsotra… nefa ireo mpitarika nitady ny hahafatesan’i Jesosy, dia nanaraka azy ireo ny vahoaka. Hatao ahoana ny hisaraka amina andian’olona mafana ra toy izany ?

Raha anio Jesosy no nohomboana, dia inona no ho nataoko, raha izaho, manoloana ny hazofijaliana ? Izaho ve ho anisan’ireo te hamono ilay hazavana napariakan’i Jesosy teto amin’izao tontolo izao ? Feno fiantrana sy fitiavana Izy, ka nilaza ihany koa tamintsika ny fahamarinana momba ny toetrantsika anaty, hoe mampisaraka antsika amin’Andriamanitra ny ota, ka tsy maintsy mandalo fibebahana isika, vao ho afaka manatona Azy. Dia hiara-miantsoantso amin’ny vahoaka ve aho ?