Asabotsy 2 Avrily 2022

Hitan’izay tsy nitady [Aho]. Isaia 65:1

Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao. Jaona 1:9

 

Mitovy amina hazavana mipoaka

„Teraka tao amina ankohonana manohitra ny fitsabahan’ny mpitondra fivavahana amin’ny fiainam-bahoaka aho, ary halako mihitsy aza ny hevitra hoe afaka hisy Andriamanitra. Talohan’ny faha-23 taonako aho dia mbola tsy nahare resaka momba an’Andriamanitra mihitsy. Indray andro, tany am-piasana dia sendra nahita filazantsara iray aho. Tamin’izany fotoana izany aho dia nametra-panontaniana maro amin’ny tenako, momba an’i Jesosy. Ny notadiaviko dia fahazoana antoka hoe nisy ara-tantara tokoa ve izany Lehilahy izany, teraka tany amina tanàna kely tsy fantatra tao amin’ny Fanjakana romana, ary nanova ny tantaran’ny zanak’olombelona.

Rehefa namaky io filazantsara io aho, dia toy ny nisy hazavana nipoaka tampoka izany. Nahazo antoka aho fa teo Andriamanitra, nanatrika teo, ary misy tontolo iray hafa, tontolo tena izy, tena misy mihitsy tokoa, ka na ny tontolontsika aza, oharina aminy, dia aloka natao ho levona fotsiny ihany. Izaho, izay tsy nino ny fisian’Andriamanitra taloha, dia tafiditra tao anaty sehatra ahitana ny zavatra rehetra ho mazava, miharihary, tsy azo lavina. Izany dia mitovy amina hery tsy hay tohaina nanery ahy hijery ny zavamisy amin’ny mason’ny finoana, mitovy amina fahazoana antoka mazava fa nahita ny fahamarinana, tamin’ny heriny feno, tamin’ny fiharihariny manontolo. Fahamarinana naseho ahy, na dia tsy nandrasako aza na mendrika ho ahy.

Teo am-pamakiana ireo filazantsara aho, dia potika avokoa ny faharesen-dahatro rehetra, ny fitsarako an-tendrony, ny fanambonianko tena ho manan-tsaina, ny faniriako hiliba ara-nofo. Zavatra mampivadi-po sy tena mafy izany, nefa koa sady feno fitiavana no mahery vaika. Tena zava-miafina ! Tena nandona ahy mafy ireo filazantsara, satria mafonja sy mahazava aoka izany ireo fanontaniana nipetraka tamin’ny alalan’i Jesosy.”

(araka an’i Vittorio Messori)