Zoma 1 Avrily 2022

Kristy Jesosy… nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona ; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Filipiana 2:5-8

 

Isika sy ny hafa

Nisy filôzôfa iray tamin’ny taonjato faha-20, nanao teny fohy sady mifintina, mahalaza betsaka ny amin’ny fitiavantenan’ny olombelona : „Ny hoe helo, dia ny hafa”. Tsia, fa ny helo, araka ny lazain’ny Baiboly, dia tsy ny olona hafa, fa tena ilay ho fifanatrehana amin’ny tena sy amin’ireo fahatsiarovana ny toetran’ny tena ratsy indrindra, ao anaty fijalijaliana sy ny tsy maha eo an’Andriamanitra, ho mandrakizay.

Nefa marina fa ny fifampikasohana amin’ny hafa, eto amin’ity tontolo ity, dia matetika aoka izany no loharano-na fahadisoam-panantenana, ady anaty, na fifandonana mibaribary. Hita sahady izany ao anatin’ny fianakaviana, eo amin’ny asa aman-draharaha… ary koa any amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny fiarahamonina. Fa nahoana moa ? Isika ve tsy mitady toerana, ary tsy izay ratsy indrindra, na dia hahavoa ireo manodidina antsika aza izany ?

Mifanohitra tanteraka amin’ny fihetsiky ny Tompo Jesosy Kristy izany ! Izy, Ilay ambonin’ny zava-drehetra, Ilay Mpahary, dia nanafoana ny tenany, tamin’ny nakany ny endrik’olombelona teto amin’ity tany ity, tany nandraisany lalandava ny toerana farany.

Nasehon’ny Tompontsika mandrakariva ireto toetra roa tsy hay sarahina ireto, dia ny fanetrentena sy ny saina hanompo. Raha manaraka ny ohatra nomeny isika, dia hiova ny fomba fifandraisantsika amin’ny hafa : tsy vitan’ny hoe tsy hitady intsony ny hanekena antsika isika, zavatra izay matetika mitarika ny hafa hanilika antsika, fa hisy koa fitoviana sasantsasany amin’i Jesosy, ho hita taratra eo amintsika : ny faharipony, ny fandavantenany, ny hamoram-panahiny. Dia „ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo” (Matio 5:45).